dimanche 25 novembre 2018

Alahady 25 Novambra 2018 - Isa 40 : 9 - 13

9Ry vahoakan'i Tsiôna
nanankinana vaovao mahafaly ô,
miakara eny an-tendrombohitra avo;
ry vahoakan'i Jerosalema
nanankinana vaovao mahafaly ô,
ingao mafy ny feonao ka aza matahotra.
Lazao amin'ireo ao tanànan'i Joda hoe:
«Indro Andriamanitrareo.
10Indro ny Tompo ANDRIANANAHARY tonga amin-kery
sady manana ny fahefana hanjaka.
Ny vahoaka, hoentiny miaraka aminy, no ho karamany
sady eo anoloany ho valin-kasasarany.
11Tahaka ny mpiandry ondry
miandry ny andian'ondriny Izy
ka manangona ireny amin'ny baikon-tanany;
trotroiny eo an-tratrany ny zanak'ondry
ary roahiny miadana ny ampianahany.»

12Iza no nahafatra ny ranomasina teo am-pelatanany
na naharefy ny lanitra tamin'ny irain-jehiny?
Iza no nahangona ny vovotany
tamin'ny vata famarana tokana
ary nandanja ny tendrombohitra sy ny havoana
tamin'ny mizana anankiray monja?

13Iza no naharefy ny Fanahin'ny TOMPO,
iza no nahatakatra ny fikasany?

Mampitondra teny fampiononana ny Tompo.

Maniraka mpanompo ízy mba hilaza ny amin'ny fiaviany hanafaka ny vahoaka, dia ireo vahoaka izay nobahoina tany Babylona. Ny hafatra ampitondraina ny mpanompo voafidy dia :

1- Hilaza ny fiavian'nv Tompo (and.10)

Ho tonga amin-kery sy fahefana lehibe ny Tompo ka hanjaka amin'ny vahoakany. Irahina mba hanambara izany ny mpanompon'i Jehovah araka ny voalaza hoe: "Asandrato mafy ny feonao, Asandrato fa aza matahotra."(and.9). Tsy tokony iahotra na hatahotra ny olom-boahosotra amin'ny fanambarana ny vaovao mahafaly. Tanteraka izany faminaniana izany tamin'ny nahatongavan'i Kristy tety an-tany. Anjaran'ny fiangonana ankehitriny ny mitory ny filazantsara sy mijoro ho vavolombelona; manambara sy mampìomana ny olona rehetra ny amin'ny fiaviany indray amim- boninahitra. Koa aza menatra ny lio vavolombelon'ny Tompontsika!

2- Hilaza ny famonjeny.

"Hiandry ny ondrinv tahaka ny mpiandry ondry Izy; ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry (and 11). Izy no iahy sy hikarakara ny fiainan'ny vahoakany. Tsy avelany hanan-java mahory ireo; tsy havelany ho rembin'ny fahavalo intsony izay matoky Azy. Hamonjy ny olony no nanolorany ny ainy. Tanteraka izany, araka ny tenin'i Jesoa hoe: "Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondriny" (Jao 10:11). Hilaza izany famonjena izany no anirahana ny fiangonana.

Fanontaniana:
Inona no andrandrainao amin'ny fiavian'i Kristy indray?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12