vendredi 30 novembre 2018

Zoma 30 Novambra 2018 - Apo 21 : 1 - 8

1Dia nahita habakabaka vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny habakabaka voalohany sy tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. 2Ary hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy tamin'Andriamanitra, dia i Jerosalema vaovao, voaomana tahaka ny ampakarina voahaingo hihaona amin'ny vadiny. 3Ary nisy feo mahery reko avy teo amin'ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: «Indro ny fonenan'Andriamanitra tonga eny amin'ny olona, ary Andriamanitra dia hiara-monina aminy; ka izy ireo ho vahoakany, ary ilay Andriamanitra miaraka aminy kosa ho Andriamanitr'izy ireo. 4Hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny mason'ireo vahoakany; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo na fitarainana na fahoriana intsony, fa efa lasa ny zavatra taloha.»

5Dia hoy Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana hoe: «Indro havaoziko ny zavatra rehetra!» Avy eo Izy no niteny tamiko hoe:
–Soraty, satria azo antoka sy marim-pototra ireo teny ireo.

6Dia hoy indray Izy tamiko:
–Tanteraka ny zavatra rehetra! Izaho no Alfa sy Ômega, fiandohana sy fiafarana. Izay mangetaheta dia hampisotroiko maimaimpoana amin'ny loharano miboiboika ranovelona. 7Izay mandresy no hahazo izany lova izany; ka dia ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. 8Fa ny kanosa, ny tsy mpino, ny mpanimbazimba, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpanao ody ratsy, ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra, dia hanana ny anjarany any amin'ny farihy mirehitra afo aman-tsolifara: izany no fahafatesana faharoa.

Ny toetoetry ny fanjakan'Andriamanitra

Ny boky Apokalipsy dia manambara ny herin' Andriamanitra sy ny fandresen'i Jesoa Kristy ho fampaherezana ary fampanantenana ho an'ireo kristiana niaina tao anatin'ny fanenjehana fahizay. Mety ihatra amin'ny fiangonana amin'ny fe-potoana rehetra anefa izay nihatra tamin'izy ireo. Toy izao ny fahitan'i Jaona Apostoly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra:

1- Fanavaozana tanteraka.

"Indro havaoziko ny zavatra rehetra" (and.5).Tsy ny olona ihany no mandalo ny fanavaozan' Andriamanitra, fa ny zava-boary manontolo. Araka izany dia ho levona izao tontolo izao ankehitriny (I Pet 3:10-13) izay efa nosimbain'ny ota. Ary ny ranomasina izay noheverin'ny Jiosy fa itoeran'ny hery mpanohitra an'Andriamanitra dia tsy hisy intsony. Tanteraka ireo (and.6). Jesoa Kristy dia efa nitondra ny aretintsika rehetra sy nivesatra ny fahotantsika. (Isa 53:4). Hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra ka tsy hisy intsony na fahafatesana na alahelo na fitarainana na fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra tàloha (and.4).

2- Fanesorana ny ratsy rehetra.

Tsy hanana anjara amin'ny fanjakan'Andriamanitra ny "osa" na ny kanosa, ny "vetaveta'" izay entina milaza ireo mpanompo sampy, ny tsy mpino, ny mpanimbazimba, ny mpamono olona, ny mpijangajanga. ny mpanao ody ratsy, ary ny mpandainga rehetra. Ireo dia hanana ny anjara ratsiny any amin'ny fahafatesana faharoa (and.8). Enga anie isika mba tsy ho anisan'ireo!

Fanontanìana:
Aiza ao amin'ny fanjakan'ny lanitra no misy anao ankehitriny?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12