mercredi 15 mai 2019

Alarobia 15 May 2019 - Gen 6 : 9 - 19

9Izao no tantaran’i Noà: i Noà dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny tamin’ireo mpiara-belona taminy, fa niara-nandeha tamin’Andriamanitra. 10Telo lahy ny naterak’i Noà, dia i Sema sy i Hama ary i Jafeta.

11Teo anatrehan’Andriamanitra dia efa nihalò ny mponin’ny tany sady feno herisetra. 12Nijery Izy ka indro feno fahalovana ny tany, satria ny olombelona rehetra tambonin’ny tany no efa nanimba ny fitondrantenany avy. 13Dia hoy Andriamanitra tamin’i Noà: «Tapa-kevitra aho handringana ny olombelona. Fa noho ny aminy dia feno herisetra ny tany, koa hofongorako eto an-tany izy. 14Noho izany, manaova fiara ho anao, mitovy amin’ny sambo lehibe vita amin’ny hazo kipreso, dia asio efitrefitra ka hosory dity ao anatiny sy eo ivelany. 15Izao no hanaovanao azy: 150 metatra ny halavany, 25 metatra ny sakany ary 15 metatra ny haavony. 16Tafoy izy, ka asio elanelany antsasa-metatra eo amin’ny tafo sy ny rindrin-kazo; voleo varavarana amin’ny lafiny iray, ary asio rihana telo ny sambofiara. 17Indro Aho hahatonga safo-drano lehibe mba hamongorana izay rehetra manana aina atỳ ambany lanitra, ka ho levona avokoa izay rehetra eny ambonin’ny tany. 18Fa hajoroko kosa ny fanekempihavanako aminao, ka hiditra ao amin’ny sambofiara ianao sy ny vadinao mbamin’ireo zanakao lahy sy ny vinantovavinao. 19Itondray tsiroaroa avy ny zava-mananaina rehetra isan-karazany, dia lahy sy vavy; ka ampidiro ao an-tsambofiara mba hovelomina miaraka aminao. 20Ny vorona isan-karazany ary ny biby hafa rehetra isan-karazany eto an-tany, na lehibe na kely, no hankeo aminao tsiroaroa mba hovelomina. 21Ianao kosa, maka amin’ny karazan-tsakafo rehetra mety ho fihinana, ka angony eo aminao mba ho sakafonao sy ho sakafon’izy ireo koa.» 22Dia notanterahin’i Noà izany; ka araka izay rehetra efa nandidian’Andriamanitra azy no nataony.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12