lundi 27 mai 2019

Alatsinainy 27 May 2019 - Kol 3 : 1 - 11

1Natsangana ho velona niaraka tamin’i Kristy ianareo. Noho izany, katsaho ny zavatra any ambony, any amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra. 2Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra etỳ an-tany. 3Fa efa maty ianareo, ka ny fiainanareo dia miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra. 4I Kristy no tena fiainanareo ka rahatrizay hiseho Izy, dia hiara-miseho aminy koa ianareo sady hiray voninahitra aminy.

5Vonoy ireo zavatra etỳ an-tany mangeja ny tenanareo: dia ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny filàndratsy, ny fitsiriritan-dratsy, ary ny fitiavan-karena (fa fanompoan-tsampy ny fitiavan-karena). 6Ireo zavatra ireo no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra hihatra amin’ny olona tsy manaiky an’Andriamanitra. 7Toy izany koa ny fitondrantenanareo fahiny, fony ianareo niaina tao anatin’ireo zavatra ireo.

8Fa ankehitriny kosa, esory avokoa ireto: fahatezerana, fisafoahana, faharatsiam-panahy, fanevatevana, teny maha menatra aloaky ny vavanareo. 9Aza mifandainga ianareo fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany, 10ary efa notafînareo ny toetra vaovao: dia ny toetry ny olona havaozin’Andriamanitra hatrany araka ny endrik’Izy Mpahary azy, mba ho tonga amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra. 11Koa amin’izany, tsy misy ny hoe hafa firenena sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, olona tsy mivoatra na tratra aoriana, mpanompo sy tsy mpanompo; fa i Kristy no zavatra rehetra sady ao aminareo rehetra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12