lundi 16 septembre 2019

Alatsinany 16 Septambra 2019 - Lio 1 : 67 - 80

67Feno ny Fanahy Masina i Zakarià, rain’ny zazakely, ka nilaza faminaniana toy izao:

68–Hisaorana anie ny Tompo, Andriamanitr’i Israely,
noho Izy namangy sy nanavotra ny vahoakany!
69Mpamonjy mahery ho antsika no najorony
avy amin’ny taranak’i Davida mpanompony,
70araka ny efa nambarany hatramin’ny fahagola
tamin’ny alalan’ireo mpaminany masina:
71dia Mpamonjy hanafaka antsika amin’ny fahavalontsika
sy amin’ny tanan’ireo mpankahala rehetra.
72Namindra fo tamin’ny razantsika Andriamanitra
sady nahatsiaro ilay fanekempihavanana masina
73mbamin’ilay fianianana izay nataony
tamin’i Abrahama razantsika:
74dia ny hanala antsika amin’ny tanan’ny fahavalontsika,
ary ny hamela antsika hanompo Azy tsy amin-tahotra,
75fa amin-toetra masina sy marina eo anatrehany
mandritra ny andro rehetra iainantsika.
76Ary ianao kosa, anaka,
dia hatao hoe mpaminanin’ny Avo indrindra,
fa hialoha ny Tompo ianao
mba hamboatra ny lalany;
77ny vahoakany hampahalalainao ny famonjena,
ka hahafantatra fa voavela ny helony.
78Mangoraka sy mamindra fo ilay Andriamanitsika,
koa masoandro miposaka avy any ambony no hamangy antsika
79mba hanazava an’ireo mihitsoka amin’ny maizina
sy amin’ny aloky ny fahafatesana,
ary mba hitarika ny diantsika
hizotra mankany amin’ny fiadanana.

80Nitombo sy nihanahery ilay zaza, ary nitoetra tany an-taniefitra mandra-pisehony tamin’ny vahoaka Israely.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12