mercredi 30 septembre 2020

Alarobia 30 Septambra 2020 - Oha 9 : 7 - 12

 7Izay mananatra ny mpaniratsira dia hahazo fanarabiana;

ary izay manaraka ny olon-dratsy dia ho afa-baràka.

8Aza mananatra ny mpaniratsira, fandrao hankahalainy ianao;

fa ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.

9Manomeza ho an’ny hendry, dia hihahendry izy;

ampianaro ny olo-marina, dia hitombo traikefa izy.

10Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahendrena9.10 Jereo 1.7 sy nta..

Ny fahalalana Ilay Masina no tena fahaiza-manavaka.

11Eny, izaho Fahendrena no mahamaro ny andronao

sy mampahalava ny taona hiainanao9.11 Jereo 3.18 sy nta..

12Raha hendry ianao, dia tombontsoa ho anao izany.

Fa raha miavonavona kosa ianao,

dia ianao ihany no hilanja ny vokany.

mardi 29 septembre 2020

Talata 29 Septambra 2020 - Oha 16 : 1 - 7

 1Fikasana no an’ny olombelona 

fa an’ny TOMPO kosa ny teny farany.

2Ny olona mihevitra ny ataony ho mety avokoa;

fa ny TOMPO no mitsara ny toe-panahy manesika azy.

3Ankino amin’ny TOMPO ny asanao,

dia ho tanteraka izay kasainao.

4Samy misy antony avokoa

ny zava-drehetra nataon’ny TOMPO;

ka na dia ny ratsy fanahy aza

dia nataony ho amin’ny androm-pamaizana.

5Halan’ny TOMPO ny olona miavona;

azo antoka fa hofaiziny ireny.

6Manafa-keloka ny fitiavana sy ny toetra mahatoky;

ary ny fanajana ny TOMPO no ialana amin’ny ratsy.

7Rehefa sitraky ny TOMPO ny fitondrantenan’ny olona,

na dia ny fahavalony aza ampihavaniny aminy.

lundi 28 septembre 2020

Alatsinainy 28 Septambra 2020 - Efe 5 : 8 - 21

 8Tao amin’ny haizina ianareo fahiny, fa ao amin’ny fahazavana kosa ankehitriny5.8 Ampit Is 60.1-3., noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Koa manaova fitondrantena tahaka ny olona ao amin’ny fahazavana, 9satria ny fahazavana5.9 ny fahazavana: misy stf sasany ahitana hoe ny Fanahy Masina (ampit Gal 5.22). dia mamokatra ny soa sy ny rariny ary ny hitsiny isan-karazany. 10Miezaha mamantatra izay ankasitrahin’ny Tompo. 11Aza miombona amin’ny asa tsy mahavoka-tsoa ataon’ireo olona ao anatin’ny haizina5.11 Ampit Rm 13.12., fa aleo aseho ny tena toetr’ireny asa ireny; 12(satria mahamenatra na dia ny hilaza izay ataon-dry zareo ao amin’ny miafina aza). 13Fa rehefa asehon’ny fahazavana kosa ny tena toetry ny zavatra rehetra, dia hiharihary avokoa; 14eny, izay rehetra miharihary dia tonga mazava. Izany no ilazana hoe:

«Mifohaza ianao izay matory,ary mitsangàna ho velona avy any amin’ny maty,dia hampahazava anao i Kristy5.14 Mifohaza...i Kristy: tsy fantatra izay loharanon’io rijan-teny io, kanefa mety ho andinin-kira kristianina..»

15Koa tandremo tsara ny fitondrantenanareo. Aza manao toy ny olona tsy misaina, fa aoka ho tahaka izay misaina. 16Hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao andro izao. 17Aza miadaladala, fa mba fantaro izay sitraky ny Tompo hataonareo.

18Aza mimamo divay ianareo, satria fanaranam-po amin’ny ratsy no vokatr’izany; fa aoka ho feno ny Fanahy Masina. 19Manaova salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina; antsa sy salamo no kaloy amin’ny fo tokoa ho an’ny Tompo5.19 Ampit Sal 33.1-3.. 20Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny olona rehetra5.20 noho ny olona rehetra: dkt hafa noho ny zavatra rehetra. amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.

21Aoka hifanoa ianareo noho ny fanajanareo an’i Kristy.

samedi 26 septembre 2020

Sabotsy 26 Septambra 2020 - Jer 32 : 36 - 41

 36Ankehitriny anefa, na eo aza izany, Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely dia mbola manan-teny momba ity tanàna ity izay voalazanao sy voalazan’ny hafa hoe natolotra teo an-tanan’i Nebokadnetsara tamin’ny alalan’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana32.36 Jereo 14.12 sy nta.. 37Indro ny mponin’ity tanàna ity fa hangoniko avy any amin’ny tany samihafa izay nanelezako azy tamin-katezerana sy fahasosorana ary fahavinirana lehibe, ka hamponeniko indray amin’ity toerana ity ary hataoko miaina am-pilaminana eo. 38Dia ho vahoakako indray izy, ary Izaho ho Andriamaniny. 39Hataoko iray fo sy iray hevitra izy mba hanaja Ahy hatrany hatrany, hahasoa azy sy ny taranany mandimby azy. 40Hanao fanekempihavanana mandrakizay aminy Aho ka tsy hampitsahatra ny fanasoavako azy, ary hataoko ao am-pony ny fanajana Ahy mba tsy hialany amiko intsony. 41Hahafaly Ahy ny hanasoa azy, ka amin’ny foko sy fanahiko manontolo no hampiorenako azy tanteraka amin’ity tany ity.

vendredi 25 septembre 2020

Zoma 25 Septambra 2020 - I Tim 1 : 5 - 11

 5Ny kendren’izany fandrarana izany dia ny mba hamohafoha ny fitiavana avy amin’ny fo mahitsy sy fieritreretana tsara ary finoana tsy mihatsaravelatsihy. 6Misy sasantsasany efa nivaona tamin’izany, ka very lalana ary niafara any amin’ny taria poaka àty. 7Te ho mpampianatra momba ny lalànan’Andriamanitra ry zareo kanefa tsy fantany velively ny zavatra lazainy sy itompoany.

8Fantatsika fa tsara ny lalàna, raha ampiasaina amin’izay antony marina. 9Tokony hotsarovana fa ny lalàna dia tsy natao ho an’ny manao ny marina, fa ho an’ny mpandika lalàna sy ny maditra: dia ny olon-dratsy sy ny mpanota, ny olona mpaniratsira an’Andriamanitra sy mpanimbazimba fivavahana, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona, 10ny mpijangajanga, ny mpifampila samy lehilahy, ny mpivarotra olona, ny mpandainga sy mpianian-tsy to, ary izay manao zavatra mifanohitra amin’ny fampianarana tsy misy tomika. 11Izany fampianarana izany dia mifanaraka amin’ny Vaovao Mahafaly izay nankinina tamiko, Vaovao Mahafaly isehoan’ny voninahitr’ilay Andriamanitra loharanom-pahasambarana1.11 Isehoan’ny... loharanom-pahasambarana na avy amin’ilay Andriamanitra be voninahitra sady loharanom-pahasambarana..

jeudi 24 septembre 2020

Alakamisy 24 Septambra 2020 - Mal 2 : 1 - 9

 1-2«Izao no fampitandremana ataon’ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo, ry mpisorona:

–Raha tsy mihaino Ahy sy tsy miezaka ny hanome voninahitra ny anarako amin’ny fonareo ianareo, dia halefako hamely anareo ny ozona. Fa hovako ho ozona ny fitahiana nampanantenaiko anareo; eny, hataoko izany satria tsy tamin’ny fonareo marina no nandraisanareo ny didiko. 3Efa mandrahona sahady ny taranakareo Aho; ianareo kosa hamafazako tain-droroha eny an-tavanareo, dia ny tain-drorohan’ireo biby nataonareo sorona tamin’ny andro fety; ary hoesorina miaraka aminy koa ianareo. 4Dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no efa nampitandrina anareo mba haharetan’ny fanekempihavanako amin’ny levita2.4 Ny fanekempihavanana tamin’ny levita dia tsy voalaza mazava na aiza na aiza ao amin’ny Testamenta Taloha na Fanekempihavanana Taloha. Ny mifanaraka amin’izany dia izao: ny taranak’i Levỳ irery ihany no afaka manao ny asan’ny mpisorona.. 5Ny fanekempihavanako taminy dia ahazoany fiainana sy fiadanana. Nomeko azy izany mba hanajany Ahy; ka dia nanaja Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Marina ny fampianarana nomeny ary tsy nisy fitaka teo amin’ny molony. Tamim-pahatoniana sy tamim-pahitsiana no niarahany tamiko ka nandreseny lahatra olona marobe hiala amin’ny faharatsiana. 7Fa andraikitry ny mpisorona ny mampianatra ny olona hahalala Ahy Andriamanitra TOMPOn’izao rehetra izao; ny mpisorona no anontaniana ny fitsipika tokony hampiharina2.7 Jereo Hag 2.11 sy nta., satria mpitondrateniko izy. 8Fa ankehitriny efa nivily lalana ianareo mpisorona, ka nahasolafaka olona maro tamin’ny fampianaranareo. Noravanareo noho izany koa ny fanekempihavanako taminareo, hoy Izaho Tompon’izao rehetra izao. 9Koa dia hampirisihiko ny vahoakan’i Israely rehetra haniratsira sy hanao tsinontsinona anareo, satria tsy nitandrina ny sori-dalako ianareo sady nizaha tavan’olona tamin’izay fanapahan-kevitrareo».

mercredi 23 septembre 2020

Alarobia 23 Septambra 2020 - Mpito 8 : 9 - 13

 9Efa voajeriko tsara avokoa izay rehetra miseho eto ambonin’ny tany; misy fotoana izay anjakazakan’ny olona amin’ny namany, ka ampahorìny azy. 10Hitako ny nandevenana olon-dratsy. Ireo olona ireo dia mpandeha ao an-Toeramasina; kanefa nohadinoina tao Jerosalema ny fitondrantenany. Zava-poana koa izany. 11Fa tsy tanterahina eo no ho eo akory ny famaliana ny ratsy atao; dia izany no ikirizan’ny olona hanao ratsy. 12Mety ho mpanao ratsy an-jatony ny mpanota iray, kanefa dia ela velona ihany. Fantatro kosa ny hoe: «Izay manaja an’Andriamanitra ihany no ho sambatra, dia ireo manaja Azy tokoa. 13Ny olon-dratsy kosa dia tsy ho sambatra. Hiserana toy ny aloka izy ary ho faty tanora satria tsy nanaja an’Andriamanitra8.13 And 12 sy 13: jereo Oha 10.27 sy nta..»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12