jeudi 24 septembre 2020

Alakamisy 24 Septambra 2020 - Mal 2 : 1 - 9

 1-2«Izao no fampitandremana ataon’ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo, ry mpisorona:

–Raha tsy mihaino Ahy sy tsy miezaka ny hanome voninahitra ny anarako amin’ny fonareo ianareo, dia halefako hamely anareo ny ozona. Fa hovako ho ozona ny fitahiana nampanantenaiko anareo; eny, hataoko izany satria tsy tamin’ny fonareo marina no nandraisanareo ny didiko. 3Efa mandrahona sahady ny taranakareo Aho; ianareo kosa hamafazako tain-droroha eny an-tavanareo, dia ny tain-drorohan’ireo biby nataonareo sorona tamin’ny andro fety; ary hoesorina miaraka aminy koa ianareo. 4Dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no efa nampitandrina anareo mba haharetan’ny fanekempihavanako amin’ny levita2.4 Ny fanekempihavanana tamin’ny levita dia tsy voalaza mazava na aiza na aiza ao amin’ny Testamenta Taloha na Fanekempihavanana Taloha. Ny mifanaraka amin’izany dia izao: ny taranak’i Levỳ irery ihany no afaka manao ny asan’ny mpisorona.. 5Ny fanekempihavanako taminy dia ahazoany fiainana sy fiadanana. Nomeko azy izany mba hanajany Ahy; ka dia nanaja Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Marina ny fampianarana nomeny ary tsy nisy fitaka teo amin’ny molony. Tamim-pahatoniana sy tamim-pahitsiana no niarahany tamiko ka nandreseny lahatra olona marobe hiala amin’ny faharatsiana. 7Fa andraikitry ny mpisorona ny mampianatra ny olona hahalala Ahy Andriamanitra TOMPOn’izao rehetra izao; ny mpisorona no anontaniana ny fitsipika tokony hampiharina2.7 Jereo Hag 2.11 sy nta., satria mpitondrateniko izy. 8Fa ankehitriny efa nivily lalana ianareo mpisorona, ka nahasolafaka olona maro tamin’ny fampianaranareo. Noravanareo noho izany koa ny fanekempihavanako taminareo, hoy Izaho Tompon’izao rehetra izao. 9Koa dia hampirisihiko ny vahoakan’i Israely rehetra haniratsira sy hanao tsinontsinona anareo, satria tsy nitandrina ny sori-dalako ianareo sady nizaha tavan’olona tamin’izay fanapahan-kevitrareo».

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12