vendredi 25 septembre 2020

Zoma 25 Septambra 2020 - I Tim 1 : 5 - 11

 5Ny kendren’izany fandrarana izany dia ny mba hamohafoha ny fitiavana avy amin’ny fo mahitsy sy fieritreretana tsara ary finoana tsy mihatsaravelatsihy. 6Misy sasantsasany efa nivaona tamin’izany, ka very lalana ary niafara any amin’ny taria poaka àty. 7Te ho mpampianatra momba ny lalànan’Andriamanitra ry zareo kanefa tsy fantany velively ny zavatra lazainy sy itompoany.

8Fantatsika fa tsara ny lalàna, raha ampiasaina amin’izay antony marina. 9Tokony hotsarovana fa ny lalàna dia tsy natao ho an’ny manao ny marina, fa ho an’ny mpandika lalàna sy ny maditra: dia ny olon-dratsy sy ny mpanota, ny olona mpaniratsira an’Andriamanitra sy mpanimbazimba fivavahana, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona, 10ny mpijangajanga, ny mpifampila samy lehilahy, ny mpivarotra olona, ny mpandainga sy mpianian-tsy to, ary izay manao zavatra mifanohitra amin’ny fampianarana tsy misy tomika. 11Izany fampianarana izany dia mifanaraka amin’ny Vaovao Mahafaly izay nankinina tamiko, Vaovao Mahafaly isehoan’ny voninahitr’ilay Andriamanitra loharanom-pahasambarana1.11 Isehoan’ny... loharanom-pahasambarana na avy amin’ilay Andriamanitra be voninahitra sady loharanom-pahasambarana..

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12