lundi 3 décembre 2012
Alatsinainy 03 Desambra 2012 - Asa 4 : 32 - 37
32 Iray fo sy fanahy tokoa ireo mpino marobe ary tsy nisy nilaza ny fananany ho azy samirery, fa niara-nanana ny zavatra rehetra. 33 Tamin-kery lehibe no nijoroan'ny apostoly ho vavolombelona manambara fa nitsangana velona i Jesoa Tompo; ary fitahiam-be avy amin'Andriamanitra no teo amin'ny mpino rehetra. 34 Tsy nisy orin-javatra teo aminy; fa ireo nanana tany na trano dia nivarotra izany, ary nitondra ny vola vidin'ny zavatra lafo, 35 ka nanolotra izany teo anatrehan'ny apostoly, dia nozaraina araka izay nilain'ny tsirairay. 36 Ohatra i Josefa, levita teraka tany Sipra, izay nantsoin'ny apostoly hoe Barnaba (izany hoe olona havanana amin'ny fampaherezana): 37 i Josefa dia nanana saha izay namidiny, ka nanolotra ny vola vidiny teo anatrehan'ny apostoly.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...