mardi 11 décembre 2012
Talata 11 Desambra 2012 - II Tim 1 : 1 - 6
1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apostolin'i Kristy Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra mba hitory ny fiainana nampanantenaina izay ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa. 2 Mamangy anao aho, ry Timoty zanako malala. Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesoa Tompontsika! 3 Velom-pisaorana an'Andriamanitra aho, dia Andriamanitra Izay tompoiko amin'ny fieritreretana mahitsy toy ny nataon'ireo razako. Velom-pisaorana Azy aho rehefa mahatsiaro anao tsy tapaka amin'ny fivavahana ataoko andro aman'alina. 4 Tsaroako ny ranomasonao, ka tsy andriko mihitsy ny hahitako anao mba ho safononoka ny hafaliako. 5 Tsahiviko ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, dia ilay finoana efa nananan'i Loisa renibenao sy i Eonika reninao talohanao. Azoko antoka fa anananao koa izany. 6 Izany no ampahatsiarovako ny hamelombelomanao indray ilay fanomezam-pahasoavana narotsak'Andriamanitra tao anatinao, fony aho nametra-tanana taminao.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...