mardi 4 décembre 2012
Talata 04 Desambra 2012 - II Kor 8 : 7 - 9
7 Manam-be tokoa ianareo amin'ny zavatra rehetra: dia amin'ny finoana, amin'ny teny, amin'ny fahalalana, amin'ny fahazotoana isan-karazany, ary amin'ilay fitiavana raisinareo avy aminay; araka izany koa no aoka hahafoizanareo be amin'izao asa soa izao. 8 Tsy milaza izany ho didy aho, fa ny fahazotoana asehon'ny sasany no hitsapako raha fitiavana mangarangarana ny anareo. 9 Satria fantatrareo ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika: fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny fahantrany.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...