mercredi 23 janvier 2013
Alarobia 23 Janoary 2013 - Apo 2 : 8 - 10
8 Izao no lazain'ilay Voalohany sady Farany, Izay efa maty nefa velona indray: 9 Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao, kanefa manankarena ianao. Fantatro ianao fa endrikendrehin'ireo milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsiizy fa olona mivavaka amin'i Satana. 10 Aza matahotra na inona na inona amin'izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra. 11 Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana. Izay maharesy dia tsy hiharan-doza avy amin'ny fahafatesana faharoa.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...