mardi 1 janvier 2013
Talata 01 Janoary 2013 - Gen 1 : 1 - 5
1 Tamin'ny fiandohana, fony Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2 dia tsy nisy endriny sady foana ny tany fa ny haizina no nandrakotra ny lalina, ary ny Fanahin'Andriamanitra no nanomba tambonin'ny rano. 3 Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia mazava. Dia nisy mazava. 4 Hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava, koa nosarahiny ny mazava sy ny haizina. 5 Ny mazava nantsoin'Andriamanitra hoe andro, fa ny haizina kosa nantsoiny hoe alina. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro voalohany.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...