lundi 7 janvier 2013
Alatsinainy 07 Janoary 2013 - Mar 1 : 29 - 34
29 Vantany vao nivoaka ny sinagoga i Jesoa, dia niantrano tao amin-dry i Simona sy i Andrea; niaraka taminy koa i Jakoba sy i Johany. 30 Ary nandry teo am-pandriana ny rafozambavin'i Simona fa voan'ny tazo, ka nampahafantarina an'i Jesoa avy hatrany. 31 Dia nanatona azy i Jesoa ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy. Nialan'ny tazo ravehivavy, ka nandroso sakafo ho an'ireo vahiny. 32 Nony hariva efa maty masoandro, dia nentin'ny olona teo amin'i Jesoa avokoa izay mety ho marary sy azon'ny demony. 33 Ka dia vory teo anoloan'ny varavarana ny vahoaka rehetra tao an-tanana. 34 Olona maro ianjadian'ny aretina isan-karazany no sitran'i Jesoa, ary demony maro no voaroakany; tsy navelany hiteniteny kosa ireo demony ireo, satria nahalala Azy.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...