samedi 2 février 2013
Sabotsy 02 Febroary 2013 - Lio 2 : 25 - 32
25 Tao Jerosalema tamin'izay dia nisy lehilahy nantsoina hoe Simehona; olo-marina sady tena mpivavaka izany lehilahy izany ary fatra-piandry an'Ilay ho avy hampionona ny vahoaka Israely. Nomban'ny Fanahy Masina izy 26 ary nampahalalainy fa tsy ho faty raha tsy efa mahita ilay Mesia avy amin'ny Tompo. 27 Nentin'ny Fanahy Masina hankao an-kianjan'ny tempoly i Simehona, raha niditra indrindra ny ray aman-drenin'i Jesoa zazakely mba hanatanteraka izay andidian'ny lalana ny amin'ny zaza; 28 dia nitrotro Azy i Simehona sady velom-pisaorana an'Andriamanitra nanao hoe: 29 Tompo o, alefaso amim-piadanana amin'izay ity mpanomponao, araka ny teninao! 30 Efa hitako maso manko ny famonjena avy aminao 31 izay nomaninao ho an'ny firenena rehetra: 32 dia fahazavana hampahalala Anao amin'ny hafa firenena ary hanome voninahitra an'i Israely vahoakanao.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...