vendredi 15 février 2013
Zoma 15 Febroary 2013 - Mat 10 : 26 - 30
26 Koa aza matahotra ny olombelona ianareo. Fa tsy misy afenina izay tsy haseho na takona izay tsy ho fantatra. 27 Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina dia ambarao eny amin'ny mazava; ary izay ren'ny sofinareo dia antsoantsoy eny an-tampon-trano. 28 Ary aza matahotra ireo mamono mahafaty ny vatana, nefa tsy mahay mamono mahafaty ny fanahy; fa aleo matahotra an'Andriamanitra Izay mahay mahavery ny fanahy amam-batana any amin'ny lohasahan'afo. 29 Tsy ampaharoapolon'ny denary monja ve no vidin'ny fody roa? Kanefa tsy hisy latsaka amin'ny tany izy ireny na iray aza, raha tsy lahatry ny Rainareo. 30 Na ny volon-dohanareo aza dia fantatr'Andriamanitra ny isany.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...