samedi 9 février 2013
Sabotsy 09 Febroary 2013 - Kol 1 : 1 8
1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apostolin'i Kristy Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra. Mamangy anareo aty Kolosy aho, dia ianareo vahoakan'Andriamanitra sady havana mpino tafaray amin'i Kristy. Mamangy anareo koa i Timoty havantsika. 2 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika! 3 Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, rehefa mivavaka ho anareo. 4 Eny, velom-pisaorana an'Andriamanitra izahay satria renay laza ny finoanareo an'i Kristy Jesoa sy ny fitiavanareo ny vahoakan'Andriamanitra rehetra. 5 Mby teo aminareo ny Vaovao Mahafaly, ary ny hafatra marina raketiny no nandrenesanareo ny zavatra antenaina izay voatahiry ho anareo any an-danitra. Ka ny finoanareo sy ny fitiavanareo dia vokatr'izany fanantenana izany. 6 Ny Vaovao Mahafaly dia mitondra vokatra sy mitombo eran'izao tontolo izao koa, tahaka ny teo aminareo hatramin'ny andro nandrenesanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra araka ny marina. 7 I Epafra, hava-malala mpiray fanompoana aminay, no nampianatra anareo momba izany; mpanompo mahatokin'i Kristy izy ho fanasoavana anareo, 8 ary dia nampahafantatra anay ny fitiavana izay nomen'ny Fanahy Masina anareo.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...