dimanche 19 mai 2013
Alahady 19 May 2013 - Asa 2 : 14 - 21
14 Fa nitsangana i Petera, niaraka tamin'ny apôstôly* 11 lahy, ka nanandra-peo nandahatra tamin'ny vahoaka hoe:
–Ry Jiosy mbamy ianareo rehetra tafatoetra eto Jerosalema, izao no aoka ho fantatrareo, ka henoy tsara ny teniko. 15 Tsy mamo velively araka ny fieritreretanareo akory ireo olona ireo, satria vao amin'ny sivy maraina izao. 16 Fa izay mitranga eto izao dia fahatanterahan'ilay voalazan'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Joela mpaminany* hoe:
17 «Izao no ho tonga amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra: Handrotsahako ny Fanahiko ny olombelona rehetra; hilaza hafatra avy amiko ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy, hisehoam-pahitana ny tanoranareo, ary hahazo tsindrimandry ny zokiolonareo. 18 Eny, amin'izany andro izany, dia samy handrotsahako ny Fanahiko ireo mpanompoko na lahy na vavy ka hilaza hafatra avy amiko izy rehetra.
19 Hampisehoako zava-mahatalanjona eny amin'ny habakabaka ambony ary famantarana etỳ amin'ny tany ambany: hisy ra sy afo ary zavon-tsetroka, 20 hiova ho haizina ny masoandro ary ny volana ho tonga mena tahaka ny ra alohan'ny higadonan'ny andro hiavian'ny Tompo, dia ilay andro lehibe sy mamirapiratra. 21 Ary izay rehetra hiantso ny anaran'ny Tompo dia ho voavonjy!»
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...