lundi 20 mai 2013

Alatsinainy 20 May 2013 - Deo 7 : 17 - 26

17 Raha ianareo hiteny anakampo hoe: «Maro noho izahay ireo firenena ireo, ka hataonay ahoana no fandroaka azy?», 18 dia aza matahotra azy ianareo. Tsarovy tsara kosa izay nataon'ny TOMPO Andriamanitrareo tamin'ny Farao* sy tamin'i Ejipta manontolo. 19 Masonareo no nahita ny fampahoriana mafy nafitsony an-dry zareo, ny famantarana sy zava-mahagaga vitany ary ny fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina namoahany anareo tany Ejipta: toy izany koa no hataon'ny TOMPO Andriamanitrareo amin'ny firenena rehetra izay atahoranareo! 20 Na izay sisa tavela ka hiery tsy ho hitanareo aza, dia handefasan'ny TOMPO Andriamanitrareo fanenitra hamely azy mandra-paharingany. 21 Aza matahotra ireny firenena ireny ianareo, fa eo afovoanareo ilay TOMPO Andriamanitrareo, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra. 22 Horoahiny tsikelikely eo anoloanareo izy ireny; tsy ho azonareo fongorana vetivety manko ireny, fandrao hihamaro ny bibidia ka hamely anareo. 23 Hatolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ho eo ambany fahefànareo ireny firenena ireny, ka hataony mifanaritaka be ihany mandra-paharingana ireny. 24 Dia hatolony eo an-tananareo koa ny mpanjakany ka ho foananareo tsy ho re laza intsony eto amin'izao tontolo izao; tsy hisy olona hahatohitra anareo mandra-paharinganareo azy. 25 Ny sarin-tsampy voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo; aza tsiriritinareo na alainareo ho anareo ny volafotsy na volamena izay eo amin'ireny sarin-tsampy ireny, fandrao ho fandrika hampanompo sampy anareo izany: eny, zava-mahatsiravina eo imason'ny TOMPO Andriamanitrareo ireny rehetra ireny. 26 Aza mampiditra sarin-tsampy ao an-tranonareo ianareo, fandrao ho mendrika haringana miaraka aminy; ho hàlanareo indrindra sy ho zava-mahatsiravina tokoa eo imasonareo izany, satria zavatra tsy maintsy haringana tanteraka.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12