samedi 11 mai 2013

Sabotsy 11 May 2013 - Asa 1 : 1 - 11


1 Any ianao ry Teôfily,Ilay boky voalohany dia nanoratako ny zavatra rehetra nataon'i Jesoa sy nampianariny, hatrany am-panombohany 2 ka hatramin'ny andro nampiakarana Azy ho any an-danitra. Talohan'ny nampiakarana Azy, dia namelany baiko tamin'ny herin'ny Fanahy Masina ireo nofidiny ho apôstôly*. 3 Porofo maro no nentin'i Jesoa nanambara tena fa velona Izy taorian'ny nahafatesany: niseho tamin'ny apôstôly Izy nandritra ny efapolo andro sady nidinidinika taminy momba ny Fanjakàn'Andriamanitra*. 4 Ary indray andro i Jesoa dia niara-nisakafo taminy ka nanafatrafatra azy hoe:

–Aza miala eto Jerosalema, fa andraso ilay fanomezana nampanantenain'ny Ray, izay efa renareo tamiko. 5 I Jôhany dia nanao batisa* tamin'ny rano; fa ianareo kosa, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina.

Miakatra any an-danitra i Jesoa

6 Koa izay tafangona teo amin'i Jesoa dia nanontany Azy hoe:

–Tompo ô, izao ve no fotoana hanarenanao indray ny fanjakana ho an'i Israely?

7 Fa novalian'i Jesoa hoe:

–Tsy anjaranareo ny mahalala ny fotoana na ny vaninandro voatendrin'ny Ray araka ny fahefàny manokana.

 8 Fa hahazo hery ianareo rehefa hilatsahan'ny Fanahy Masina, ka ho vavolombelona hanambara Ahy eto Jerosalema sy eran'i Jodea mbamin'i Samaria ary hatrany amin'ny faran'ny tany. 9 Nony avy nilaza izany i Jesoa, dia nakarina any an-danitra teo imason'izy ireo; ary nisy rahona nanakona an'i Jesoa ka tonga tsy hitan'izy ireo intsony Izy. 10 Raha mbola nibanjina ny lanitra niakaran'i Jesoa teo iny izy ireo, dia indreo nisy roa lahy nanao fitafiana fotsy tafajoro tampoka teo anilany 11ka nanao taminy hoe:

–Ry lehilahy galileanina, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesoa Izay nalaina teo aminareo hakarina any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo Azy nankany an-danitra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12