lundi 23 février 2015

Alatsinainy 23 Febroary 2015 - Asa 8 : 8 - 38

 8Dia nisy hafaliana be tao amin'izany tanàna izany. 9Nisy lehilahy atao hoe Simôna efa tao amin'izany tanàna izany rahateo. Mpanao majika izy ka nahatalanjona ny mponina eran'i Samaria sady nanao ny tenany ho zavatra.

10Babony daholo ny olona, hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe, ka vaky vava hoe:
–Ity lehilahy ity no herin'Andriamanitra, dia ilay antsoina hoe «hery lehibe».

11Babon'i Simôna tokoa ny olona satria hatramin'ny ela no talanjona tamin'ny majîkany. 12Saingy rehefa nino ny Vaovao Mahafaly notorîn'i Filipo momba ny Fanjakàn'Andriamanitra* sy momba an'i Jesoa Kristy* izy ireo, dia niroso hatao batisa* avokoa na lahy na vavy. 13Ny tenan'i Simôna koa aza dia nino ka natao batisa; tsy nahasaraka an'i Filipo izy ary talanjona nahita ny famantarana sy ny asa lehibe mahagaga izay notontosaina. 14Ren'ny apôstôly* tany Jerosalema fa nandray ny tenin'Andriamanitra ny mponina tao Samaria, ka nirahiny hankany i Petera sy i Jôhany. 15Rehefa tonga tany Samaria izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny mpino mba handraisany ny Fanahy Masina; 16satria tsy mbola nisy nilatsahan'ny Fanahy Masina ireo mpino ireo na iray aza, fa vita batisa tamin'ny anaran'i Jesoa Tompo ihany. 17Dia nametrahan'i Petera sy Jôhany tanana izy rehetra ka nandray ny Fanahy Masina. 18Nony hitan'i Simôna fa ny fametrahan'ny apôstôly tanana* no nanomezana ny Fanahy Masina tamin'ireo mpino, dia notolorany vola i Petera sy i Jôhany 19sady nataony hoe:
–Omeo ahy koa re izany fahefana izany, dia mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana.

20Fa hoy i Petera taminy:
–Vereza miaraka amin'ny tenanao ny volanao satria nataonao fa azo vidîm-bola ny fanomezan'Andriamanitra. 21Tsy misy anjaranao na lovanao amin'ity raharaha ity satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra ianao. 22Koa ialao izao faharatsianao izao ary mangataha amin'ny Tompo mba hamelany izany fihevitry ny fonao izany, raha azo atao. 23Hitako manko fa mbola feno fialonana mangidy sy voafatotry ny fahotana ianao.

24Dia hoy i Simôna tamin'i Petera sy i Jôhany:
–Ianareo mihitsy no mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy hisy hihatra amiko akory izay voalazanareo.

25Rehefa avy nanao fijoroana vavolombelona sy nitory ny tenin'ny Tompo ry i Petera sy i Jôhany, dia nitodi-doha ho any Jerosalema, ka nanambara ny Vaovao Mahafaly teny amin'ny tanàna kely maro eran'i Samaria.

26Nisy anjelin*'ny Tompo nanao tamin'i Filipo hoe:
–Ndeha ianao mianatsimo ka mizora ny lalana midina avy eto Jerosalema mankany Gaza, dia ny lalana mamakivaky taniefitra.

27Dia nandeha avy hatrany i Filipo. Ary indro nisy lehilahy etiôpianina: izy io dia manamboninahitra tandapan'ny Kandasy (mpanjakavavin'i Etiôpia) sady mpitandrina ny fananany rehetra; nivahiny tany Jerosalema ralehilahy mba hivavaka, 28ary efa mby an-dalana hody tamin'izay. Nipetraka tao amin'ny kalesiny izy ary namaky ny bokin'i Isaià mpaminany*.

29Dia hoy ny Fanahy Masina tamin'i Filipo:
–Mandrosoa ka hatòny io kalesy io.

30Nilomay nanatona i Filipo ka nandre ilay Etiôpianina namaky ny bokin'i Isaià mpaminany, ary nanontany azy hoe:
–Azonao ve ny teny vakînao?

31Dia novalian-dralehilahy hoe:
–Ahoana moa no ho azoko, raha tsy mba misy manazava?
Niangavian'ilay tandapa i Filipo mba hitaingina ny kalesiny ary hipetraka eo anilany. 32Izao kosa no andalan'ny Soratra Masina* vinakin'ilay tandapa:

          «Toy ny ondry nentina hovonoina Izy,
            ary toy ny zanak'ondry moana manoloana ny mpanety azy:
            tsy niloa-bava akory!
           33Natao tsinontsinona Izy ary tsy nahazo rariny.
          Ary iza moa no hanan-kotantaraina ny amin'izay taranany?
          Satria fongotra teto an-tany ny fiainany.»

34Ka hoy ilay tandapa tamin'i Filipo:
–Azafady, tompoko, iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany sa olon-kafa?
35Dia niteny i Filipo ary niainga avy amin'ireo andalan-tSoratra Masina ireo no nanambara ny Vaovao Mahafaly* momba an'i Jesoa.

36Nizotra ny dian'izy roa lahy, ary mby teo amin'ny toerana anankiray misy rano, ka hoy ilay tandapa:
–Inty eto misy rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa*?
[ 37Dia novalian'i Filipo hoe:
–Raha amin'ny fonao manontolo no inoanao, dia azo atao batisa ianao.
Ary hoy ilay tandapa:
–Mino aho fa i Jesoa Kristy* no ilay Zanak'Andriamanitra*.]
38Nasain'ilay tandapa najanona ny kalesy, dia niara-nidina nankeo anaty rano izy mbamin'i Filipo, ary nataon'i Filipo batisa izy

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12