mardi 24 février 2015

Talata 24 Janoary 2015 - Mat 4 : 1 - 11

1Ary dia notarihin'ny Fanahin'Andriamanitra hankany an-taniefitra i Jesoa, mba halain'ny devoly* fanahy. 2Rehefa avy nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina i Jesoa, dia noana; 3ary nohatonin'ny mpaka fanahy Izy ka nataony hoe:
–Raha Zanak'Andriamanitra* tokoa Ianao, teneno ireo vato ireo hanjary mofo.

4Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Izao no voalazan'ny Soratra Masina: «Tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra.»

5Avy eo dia nentin'ny devoly ho any Jerosalema tanàna masina i Jesoa, ka najorony teo an-tendron'ny zoron'ny tempoly* 6sady nataony hoe:
–Raha Zanak'Andriamanitra tokoa Ianao, mianjerà any ambany any, fa izao no voalazan'ny Soratra Masina:
«Homen'ny Tompo baiko ireo anjeliny noho ny aminao,
ka ny anjely* hitondra Anao eny an-tanany
mba tsy ho tafintohim-bato ny tongotrao.»

7Fa hoy i Jesoa taminy:
–Izao koa no voalazan'ny Soratra Masina: «Aza maka fanahy ny Tompo Andriamanitrao.»
8Ary nentin'ny devoly ho any amin'ny tendrombohitra avo dia avo indray i Jesoa, ka nasehony Azy ny fanjakana rehetra eo amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny 9sady nataony hoe:
–Homeko Anao avokoa ireo, raha miankohoka eto anoloako Ianao ho fanajana ahy!

10Tamin'izay dia hoy i Jesoa taminy:
–Mialà, ry Satàna, satria izao no voalazan'ny Soratra Masina:
«Ny Tompo Andriamanitrao no hiankohofanao,
ary Izy irery no hivavahanao!»

11Izay vao nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy anjely* tonga teo amin'i Jesoa ka nanompo Azy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12