vendredi 20 février 2015

Zoma 20 Febroary 2015 - Neh 8 : 1 - 8

1-2Dia nivory toy ny olona iray ihany; teo amin'ny kianja anoloan'ny Vavahadin'ny Rano no nivoriany tamin'ny andro voalohan'io volana io. Nasain'ny vahoaka nalain'i Hezrà mpahay Lalàna ny bokin'ny Lalàn'i Mosesy, izay nandidian'ny TOMPO an'ireo Israelita. Dia nentin'i Hezrà mpisorona izany ho eo anatrehan'ny Fiangonana izay nahitana ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny zaza rehetra efa mahahaino. 3Nanomboka ny maraina ka mandra-pahatongan'ny mitataovovonana, dia teo amin'ny kianja anoloan'ny Vavahadin'ny Rano i Hezrà ka namaky ny boky; ary nampandry sofina hihaino izany avokoa ny olona. 4Teo ambony lampihazo vao narafitra ho an'io fotoana io no nitsanganan'i Hezrà mpahay lalàna. Ary nitsangana teo anilany ankavanana ry i Matitià sy i Sema, i Hanaià sy i Orià ary i Hilkià sy i Mahaseià; teo ankaviany kosa ry i Pedaià sy i Misaela, i Malkià sy i Hasoma, i Hasbadanà sy i Zakarià ary i Mesolama. 5Dia nanokatra ny boky teo imason'ny vahoaka rehetra i Hezrà, satria ambony toerana noho ny daholobe; ka rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny vahoaka rehetra. 6Nisaotra ny TOMPO Andriamanitra lehibe i Hezrà; ary nanandra-tanana ny vahoaka rehetra ka namaly hoe: «Amen*!» Avy eo izy ireo dia niondrika sady niankohoka nitehi-tany teo anatrehan'ny TOMPO. 7Dia nitsangana indray ny olona ka samy nijanona teo amin'ny toerany avy. Ary ny levita*, ry i Jesoa sy i Banỳ, i Serebià sy i Jamina, i Hakoba sy i Sabetahy, i Hôdià sy i Mahaseià, i Kelità sy i Hazarià, i Jôzabada sy i Hanàna ary i Pelaià, dia nampianatra ny vahoaka ny lalàna. 8Novakîn'ireo levita ireo mazava ny boky mirakitra ny lalànan'Andriamanitra sady novoasany koa ny heviny, ka azo tsara ny teny novakîna.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12