dimanche 26 avril 2015

Alahady 26 Aprily 2015 - Deo 30 : 15 - 20

15Ry Israelita, indro ataoko eo anoloanareo anio ny fiainana sy ny soa ankilany ary ny fahafatesana sy ny loza andaniny. 16Raha ankatoavinareo ny didin'ny TOMPO Andriamanitrareo, izay ampitaiko aminareo anio, ka hotiavinareo Izy sy hizoranareo ny sori-dalany ary hotandremanareo ny didy aman-dalàny mbamin'ny fitsipiny, dia ho velona ianareo ka hihamaro, ary hotahîn'ny TOMPO Andriamanitrareo any amin'ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana. 17Fa raha mivily kosa ny fonareo, ka tsy mankatò ny TOMPO ianareo fa voataona hiankohoka eo anatrehan'ny andriamani-kafa sy hanompo azy, 18dia ambarako aminareo dieny izao fa ho ringana tokoa ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin'ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana, rehefa tafita ny ony Jôrdàna ianareo. 19Miantso ny tany amana habakabaka aho anio ho vavolombelona aminareo fa ataoko eo anoloanareo ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana* sy ny ozona: koa fidio ny fiainana, mba ho velona ianareo sy ny taranakareo. 20Tiavo ny TOMPO Andriamanitrareo ka ekeo sy ifikiro, fa izany no hahavelona anareo sy hahamaro ny andro honenanareo any amin'ny tany izay nianianan'ny TOMPO tamin'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo fa homena azy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12