lundi 27 avril 2015

Alatsinainy 27 Aprily 2015 - II Mpa 5 : 7 - 14

7Raha vao voavakin'ny mpanjakan'i Israely ilay taratasy, dia nandriatra ny fitafiany* izy sady niteny hoe:
–Andriamanitra angaha aho ka hahafaty na hahavelona, no andefasan'ilehiny olona hositranina amin'ny aretin-kodiny? Jereonareo tsara fa mila ady amiko mihitsy izy.

8Raha ren'i Elisà olon'Andriamanitra fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan'i Israely, dia naniraka hankany amin'ny mpanjaka izy nanao hoe:
–Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka hankatỳ amiko i Nahamàna mba hahafantarany fa misy mpaminany tokoa amin'i Israely.

9Dia tonga àry i Nahamàna niaraka tamin'ny kalesy aman-tsoavaliny ka niandry teo anoloan'ny varavaran'ny tranon'i Elisà. 10Ary i Elisà naniraka olona hankany aminy hilaza hoe:
–Mandehana mandro impito ao Jôrdàna, fa hiverina amin'ny toetrany taloha indray ny hoditrao, ka hadio* ianao.

11Fa tezitra i Nahamàna, dia lasa sady nanao hoe:
–Noheveriko fa mba hankatỳ amiko tokoa ilay mpaminany ka hivavaka amin'ny TOMPO Andriamaniny sy hanevaheva ny tanany eo amin'ny faritra marary ary hanasitrana ny aretin-koditro. 12Tsy tsara noho ny renirano rehetra amin'i Israely ve i Abanà sy i Farpara reniranon'i Damasy? Moa tsy azoko atao ve ny mandro ao amin'ireo mba hampahadio ahy?

Dia nihodina i Nahamàna ka lasa tamim-pahatezerana. 13Fa nanatona azy ny mpanompony ka nanao taminy hoe:
–Ry ikaky ô, raha toa ka zavatra sarotra no nampanaovin'ny mpaminany anao, moa va tsy ho nataonao izany? Koa nahoana no tsy hataonao izay lazainy aminao hoe: «Mandroa, dia hadio ianao?»

14Dia nidina i Nahamàna ka nisitrika impito tao Jôrdàna araka ny tenin'ilay olon'Andriamanitra; ary ny hodiny dia tonga tahaka ny hodi-jazakely indray, ka nadio izy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12