jeudi 2 avril 2015

Alakamisy 02 Aprily 2015 - Jao 13 : 1 - 20

1Andro mialoha ny fankalazana ny Paska* tamin'izay. Fantatr'i Jesoa fa tonga ny fotoanandro hialany amin'izao tontolo izao* ho any amin'ny Ray. Efa notiavin'i Jesoa ireo Azy teo amin'izao tontolo izao ary dia notiaviny hatramin'ny farany. 2Teo am-pisakafoana hariva tamin'izay i Jesoa mbamin'ny mpianany*; ary efa nomen'ny devoly* hevitra i Jodasy, zanakalahin'i Simôna Iskariôta*, mba hanolotra an'i Jesoa. 3Fantatr'i Jesoa rahateo fa efa napetraky ny Ray eo an-tanany avokoa ny zavatra rehetra, sady fantany fa Andriamanitra no niaviany ary Andriamanitra no hiverenany. 4Koa nitsangana niala teo am-pihinanana Izy, dia nametraka ny lambany, ary naka lamba famaohana ka nisikinany. 5Avy eo Izy dia nampidina rano tamina koveta, ary nanomboka nanasa ny tongotr'ireo mpianany sy namaoka izany tamin'ny lamba nisikinany.

6Dia tonga teo amin'i Simôna Petera Izy; fa hoy i Petera taminy:
–Ianao ve, ry Tompo, hanasa ny tongotro?

7Dia novalian'i Jesoa hoe:
–Izay ataoko dia tsy azonao ankehitriny, fa ho azonao any aoriana.

8Fa hoy i Petera taminy:
–Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana na oviana Ianao!

I Jesoa kosa namaly azy hoe:
–Raha tsy hosasako ianao, dia tsy hanana anjara amiko.

9Dia hoy i Simôna Petera taminy:
–Raha izany, ry Tompo, dia tsy ny tongotro fotsiny fa ny tanako sy ny lohako ihany koa.

10Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Izay efa nandro tsy mila hosasana afa-tsy ny tongony ihany, fa efa madio ny tenany manontolo. Ianareo koa dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.

11(Fantatr'i Jesoa manko ilay efa hanolotra Azy; ka izany no nilazany hoe: «Tsy ianareo rehetra no madio.»)

12Rehefa voasasan'i Jesoa ny tongotr'ireo mpianany, dia nandray ny lambany Izy ary nipetraka indray; ka hoy Izy tamin'ny mpianany:
–Azonareo ve izay nataoko taminareo? 13Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filàzanareo fa izany tokoa Aho. 14Koa raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza no manasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia mba tokony hifanasa tongotra. 15Eny, nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo. 16Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony ary ny iraka tsy lehibe noho ilay naniraka azy. 17Raha azonareo izany, dia sambatra ianareo raha manao izany.

18Tsy ho anareo rehetra no itenenako, satria fantatro izay nofidiko; kanefa aoka ho tanteraka ny tenin'ny Soratra Masina* hoe: «Ilay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.» 19Dieny izao Aho no milaza aminareo alohan'ny hahatongavan'izany, mba hinoanareo rehefa tonga izany fa «Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay.» 20Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mandray ny hirahiko dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12