dimanche 3 mai 2015

Alahady 03 May 2015 - I Tes 1 : 1 - 10

1Avy amiko Paoly ity taratasy ity.Mamangy anareo isan'ny Fiangonana atỳ Tesalônika, izay tafaray amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy* Tompo, aho. Mamangy anareo koa i Silasy sy i Timôty. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!

2Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitra izahay ny aminareo rehetra, rehefa mahatsiaro amin'ny vavaka ataonay. 3Tsaroanay tsy tapaka eo anatrehan'ilay Andriamanitsika sady Raintsika ny asa ateraky ny finoanareo, ny fikelezana aina asesiky ny fitiavanareo, ary ny faharetana vokatry ny fanantenanareo an'i Jesoa Kristy* Tompontsika. 4Fantatray, ry havana, fa efa notiavin'Andriamanitra ianareo ary efa nofidiny mba ho Azy. 5Eny, ny Vaovao Mahafaly* torînay dia tonganay tatỳ aminareo, tsy tamin'ny teny fotsiny ihany fa tamin'ny hery aman'asan'ny Fanahy Masina mbamin'ny fankatoavanay tanteraka ny Vaovao Mahafaly. Fantatrareo koa ny fiaimpiainanay fony izahay tatỳ aminareo ho fanasoavana anareo. 6Sady nanahaka anay sy ny Tompo ianareo; fa na dia be aza ny fahoriana nanjo anareo, dia nandray ny tenin'Andriamanitra tamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo. 7Koa dia tonga ohatra ho an'ny mpino rehetra eran'i Masedônia sy i Akaîa ianareo. 8Nanako avy teo aminareo ny tenin'ny Tompo, ka tsy hoe nanerana an'i Masedônia sy i Akaîa ihany, fa niely hatraiza hatraiza koa ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra; hany ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona. 9Fa izy rehetra dia milaza ny momba anay ka mitantara ny nidiranay tatỳ aminareo sy ny nialanareo tamin'ny sampinareo ka nitodihanareo tamin'Andriamanitra, mba hanompoanareo ilay Andriamanitra velona sady marina. 10Andrasanareo koa ny hahatongavan'ny Zanany* avy any an-danitra, dia i Jesoa Izay efa natsangany ho velona avy tany amin'ny maty sady mpanafaka antsika amin'ilay fahatezeran'Andriamanitra* ho avy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12