dimanche 10 mai 2015

Alahady 10 May 2015 - Nom 11 : 16 - 25

16Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Anangòny fitopolo lahy amin'ny loholon'i Israely aho, dia izay fantatrao fa loholona* sy tompon'andraikitra amin'ny vahoaka. Ento miaraka aminao ao amin'ny Tranolay fihaonana* izy. 17Fa hidina eo Aho ka hiteny aminao; ary haka amin'ny fanahy izay nomeko anao Aho ka hametraka izany amin'izy ireo mba hiarahany mitondra aminao ity firenena ity; koa tsy ianao irery intsony no hitondra azy. 18Ny amin'ny vahoaka kosa dia izao no holazainao azy: «Diovy* ny tenanareo ho amin'ny rahampitso, fa hahazo hena hohanina ianareo, satria ny TOMPO efa nandre ny fitarainanareo hoe: ‹Iza no hanome hena hohaninay? Fa sambatra izahay tany Ejipta›. Homen'ny TOMPO hena ianareo, ka hihinana tokoa ianareo. 19Tsy andro iray na roa na koa andro dimy na folo na roapolo aza no hihinananareo izany, 20fa iray volana maninjitra manda-pahafeno hatreny am-bavoronareo ka hampaharikoriko anareo. Ho sazinareo izany noho ny nandavanareo ny TOMPO Izay eo aminareo sy ny nitomanianareo teo anatrehany hoe: ‹Nahoana re no niala tany Ejipta izahay?› »

21Dia hoy i Mosesy hoe:
–Ireo vahoaka manodidina ahy ireo dia ahitana miaramila mpandeha an-tongotra misy andiany eninjato, ka hoy Ianao hoe: «Homeko hena izy ka hihinana izany iray volana maninjitra!» 22Fa na dia ny ondry aman'osy ary ny ombiny rehetra aza no hovonoina ho azy ireo, dia tsy ho ampy azy izany. Na ny trondro rehetra any an-dranomasina aza no haratoina ho azy ireo, dia mbola tsy ho ampy azy koa.

23Fa hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Ary ny heriko, moa mba misy fetrany va? Ho hitanao izao ankehitriny izao na ho tanteraka aminao ny teniko na tsia.

24Nisinda kely i Mosesy ka nilaza ny tenin'ny TOMPO tamin'ny vahoaka. Nangoniny avy eo ireo fitopolo lahy tamin'ny loholom-bahoaka*, dia napetrany nanodidina ny Tranolay fihaonana. 25Ary nidina teo amin'ny rahona ny TOMPO ka niresaka tamin'i Mosesy. Nangalany ny fanahy tamin'i Mosesy ka nanomezany ho an'ny loholona fitopolo lahy. Ary raha vao nipetraka tamin'izy ireo ny fanahy, dia nanomboka naminany* izy ireo, nefa tsy notohizany izany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12