dimanche 6 mars 2016

Alahady 06 Martsa 2016 - II Tan 32 : 16 - 23

16Ary ny manamboninahitra nirahin'i Saneheriba dia nanohy niteny ratsy nanohitra ny TOMPO Andriamanitra sy nanohitra an'i Hezekià mpanompony.

17Dia nanoratra taratasy koa ity mpanjakan'i Asiria mba hihantsiana ny TOMPO Andriamanitr'i Israely sy hanarabiana Azy. Ka hoy izy hoe: «Tsy nahavonjy ny olony tsy hiharan'ny fahefàko ny andriamanitr'ireo firenena hafa teto an-tany; noho izany, ny Andriamanitr'i Hezekià dia tsy hahavonjy koa ny olony tsy hiharan'ny fahefàko.»
18Ankoatra izany, ireto irak'i Saneheriba ireto dia niantso tamin'ny feo mahery sady araka ny fiteny jodeanina teo anatrehan'ny mponin'i Jerosalema izay teny ambonin'ny manda; ny hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahazoany ny tanàna no anton'izany. 19Ary ny fitenenany an'ilay Andriamanitr'i Jerosalema koa dia toy ny fitenenany an'ireny andriamanitry ny firenena any an-tany hafa ireny, izay sarivongana asan-tanan'olona ihany.

20Noho izany toe-javatra izany dia nivavaka i Hezekià mpanjaka sy i Isaià mpaminany* zanakalahin'i Amôtsa, ka niantso vonjy tamin'Andriamanitra. 21Ny TOMPO kosa naniraka anjely*, izay nandringana ny miaramila maherifo rehetra sy ny manamboninahitra ary ny komandy teo an-tobin'ny mpanjakan'i Asiria. Ka dia lasa nody tamin-kenatra i Saneheriba; ary nony niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia ireo zanany naterany ihany no namono nahafaty azy tao tamin'ny sabatra.

22Toy izany no namonjen'ny TOMPO an'i Hezekià sy ny mponin'i Jerosalema tsy ho azon'i Saneheriba mpanjakan'i Asiria na ho azon'ny fahavalo hafa rehetra; ary nanomezany azy fiadanana tamin'ny sisin-tany manodidina. 23Olona maro no nitondra fanatitra ho an'ny TOMPO tao Jerosalema ary koa fanomezana ho an'i Hezekià mpanjakan'i Joda; ka nanomboka tamin'izay i Hezekià no nalaza teo imason'ny firenen-drehetra manodidina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12