vendredi 25 mars 2016

Zoma 25 Martsa 2016 - Mar 15 : 33 - 41

33Tamin'ny mitataovovonana, dia rakotra haizina ny faritany manontolo, ka naharitra hatramin'ny telo tolakandro izany. 34Ary tamin'ny telo tolakandro i Jesoa dia niantso tamin'ny feo mahery nanao hoe:
–Elôỳ, Elôỳ, lemà sabaktàny? (izany hoe raha adika: «Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia nilaozanao Aho?»)

35Ny sasany tamin'ireo olona nijanona teo, raha nandre izany, dia niteny hoe:
–Indro fa niantso an'i Elià* ny anao!

36Tamin'izay dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatsoboka spaonjy tao anaty vinaingitra; dia notohiziny volotara ilay spaonjy ka natohony an'i Jesoa mba hotsentsefiny, sady hoy izy:
–Avelao hoe hojerentsika raha ho avy hampidina Azy tokoa i Elià!

37Fa i Jesoa kosa niantso tamin'ny feo mahery, dia niala aina.
38Ary nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin'ny Toeramasina*. 39Fa ilay kapiteny nijoro tandrifin'i Jesoa, raha nahita Azy niala aina toy izany, dia loa-bolana hoe:
–Tena Zanak'Andriamanitra tokoa io Lehilahy io!

40Nisy vehivavy maromaro koa nitazana avy eny lavidavitra teny ka anisan'ireo i Maria avy any Magdalà, sy i Salôme ary i Maria renin-dry i Jakôba kely sy i Jôsèta mirahalahy. 41Niaraka tamin'i Jesoa tany Galilea ireo vehivavy ireo, nanampy Azy tamin'izay nilainy; ary nisy vehivavy maro hafa koa izay niara-niakatra tamin'i Jesoa tany Jerosalema.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12