jeudi 3 mars 2016

Alakamisy 03 Martsa 2016 - Mar 14 : 53 - 65

53Nentina tao an-tranon'ny mpisorombe* i Jesoa. Tonga tao avokoa ireo lohandoha-mpisorona sy loholona* ary mpahay lalàna*. 54Fa i Petera kosa nanaraka an'i Jesoa teny lavidavitra teny mandra-pahatonga tao an-tokotanin'ny tranon'ny mpisorombe, dia niara-nipetraka tamin'ireo mpiandry raharaha ka namindro teo anilan'ny afo.

55Nokarohin'ireo lohandoha-mpisorona sy ireo rehetra anisan'ny Fitsarana ambony* teo amin'ny Jiosy izay mety hiampangana an'i Jesoa hanamelohana Azy ho faty, saingy tsy nahita ry zareo. 56Eny, maro ireo niampanga lainga an'i Jesoa, nefa tsy nifanaraka ny fiampangana nataony. 57Dia nisy nitsangana niampanga lainga an'i Jesoa toy izao:

58–Renay ilay io nanao hoe: «Horavako ity tempoly* nataon-tanan'olombelona ity, ary ao anatin'ny telo andro, dia hanorina hafa tsy nataon-tanan'olombelona Aho.»

59Fa tsy nifanaraka akory ny filàzan'ireo mpiampanga na dia tamin'izany aza.
60Dia nitsangana nankeo afovoan'ny mpivory ny mpisorombe ary nanontany an'i Jesoa hoe:
–Tsy mamaly akory ve Ianao? Inona no iampangan'ireo Anao?

61Fa nangina i Jesoa ary tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisorombe nanao hoe:
–Ianao ve no Kristy*, Zanak'ilay Andriamanitra* ankalazaintsika lalandava?

62Ka novalian'i Jesoa hoe:
–Izaho no Izy, ary «ho hitanareo ny Zanak'olona* mipetraka eo ankavanan'ilay Andriamanitra mahery» ary koa «tamy eo amin'ny rahon'ny habakabaka.»

63Tamin'izay ny mpisorombe dia nandriatra ny fitafiany* sady niteny hoe:
–Inona indray no ilàntsika vavolombelona hiampanga? 64Renareo teo ny fanevatevàny an'Andriamanitra, ka ahoana ianareo amin'izany?

Dia samy nanameloka an'i Jesoa izy rehetra ka nilaza fa mendrika Azy ny ho faty.
65Tamin'ny olona teo dia nisy sasany nandrora an'i Jesoa, nanarona ny tavany, namely totohondry

Azy sady nanao taminy hoe:
–Vinanio hoe!

Dia nalain'ny mpiandry raharaha i Jesoa ary nasian'ireo tahamaina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12