samedi 14 janvier 2017

Sabotsy 14 Janoary 2017 - Mal 2 : 10 - 16

10Tsy tokana va ny raintsika rehetra? Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika? Koa nahoana no mivadika amin'ny namantsika avy isika, ka manimbazimba ny fanekempihavanana* nifanaovan'Andriamanitra tamin'ireo razantsika? 11Efa nivadi-panekena ny vahoakan'i Joda. Zavatra maharikoriko no nataony tao Jerosalema sy tamin'ny tanin'i Israely manontolo; satria nozimbazimbainy ny toeramasina* izay mamin'ny TOMPO, ary dia nanambady vehivavy mpivavaka amin'ny andriamani-kafa izy. 12Hoesorin'ny TOMPO tsy ho anisan'ny taranak'i Jakôba anie izay lehilahy manao izany na iza izy na iza, eny, fa na dia izay manolotra fanatitra ho an'ny TOMPOn'izao rehetra izao aza!

13Ary izao koa no mbola ataonareo: ataonareo hotsa-dranomaso ny alitara*n'ny TOMPO; mitomany sy midradradradra ianareo, satria tsy miraika amin'izay fanatitrareo intsony Izy ary tsy manaiky intsony izay zavatra aterinareo aminy. 14Dia anontanianareo ny anton'ny tsy anekeny izany intsony. Ny antony dia satria efa nanaiky teo anatrehan'ny TOMPO ianareo fa ho mahatoky amin'ny vadin'ny fahatanoranareo. Vady vita fanekena taminareo izany, nefa dia nilaozanareo. 15Tsy efa nataon'ny TOMPO ho tena iray amin'ny vadinareo ve ianareo, ara-batana sy ara-panahy? Ary inona no tadiavin'izany tena iray izany? Moa va tsy ny hanan-taranaka araka an'Andriamanitra? Koa dia mitandrema tena ianareo, aza ilaozana ny vadin'ny fahatanoranareo. 16«Halako ny fisaoram-bady sy ny fihosenana amin'ny herisetra, hoy ny TOMPO Andriamanitr'i Israely sady Tompon'izao rehetra izao. Koa dia mitandrema tena ianareo ary aza mandao vady.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12