vendredi 20 janvier 2017

Zoma 20 Janoary 2017 - Mat 17 : 1 - 9

1Enina andro taorian'izay, dia nalain'i Jesoa niaraka taminy ry i Petera mbamin-dry i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray. 2Dia niova tarehy teo anatrehan'izy telo lahy i Jesoa: namirapiratra tahaka ny masoandro ny tavany ary tonga fotsy tahaka ny hazavana ny fitafiany. 3Ary indreo koa hitan'izy telo lahy i Mosesy sy i Elià* niresaka tamin'i Jesoa. 4Dia hoy i Petera tamin'i Jesoa:
–Tompo ô, tsara ho antsika ny mitoetra eto; koa raha sitrakao, dia hanao lay telo eto aho: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elià.

5Raha mbola niteny i Petera, dia nisy rahona mazava nanarona azy rehetra; ary injao nisy feo avy tao amin'io rahona io nanao hoe:
–Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako! Henoy Izy!

6Nony nandre izany ireto mpianatra telo lahy, dia natahotra mafy ka lavo niankohoka tamin'ny tany.

7Fa nanatona azy i Jesoa, dia nanohina azy sady niteny hoe:
–Miarena! Aoka izay ny tahotra!

8Dia niandrandra hijery izy telo lahy, ka tsy nahita olona afa-tsy i Jesoa irery ihany.

9Tamin'izy efa-mianaka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia izao no baiko nomen'i Jesoa azy telo lahy:
–Aza lazaina na amin'iza na amin'iza iny fahitana iny, mandra-pitsangan'ny Zanak'olona* ho velona avy any amin'ny maty.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12