vendredi 13 janvier 2017

Zoma 13 Janoary 2017 - Jer 42 : 1 - 12

1Tamin'izay ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila, indrindra i Jôhanàna zanakalahin'i Karea sy i Hazarià zanakalahin'i Hôsaià, ary koa ny vahoaka rehetra teo na kely na lehibe, 2dia nanatona an'i Jeremià mpaminany* ka niteny taminy hoe:
–Mba ekeo re ny fiangaviana ataonay eto anatrehanao, ka mivavaha amin'ny TOMPO Andriamanitrao ho anay rehetra sisa tavela ireto satria vitsy kely izahay araka izao hitanao maso izao. 3Mangataha amin'ny TOMPO Andriamanitrao mba hatorony anay ny lalana tokony hizoranay sy ny zavatra tokony hataonay.

4Dia hoy i Jeremià mpaminany taminy:
–Efa reko izany, koa handeha hivavaka amin'ny TOMPO Andriamanitsika aho araka izay efa nangatahanareo tamiko; avy eo dia hatoroko anareo ny valin-tenin'ny TOMPO fa tsy hisy hafeniko anareo.

5Ary namaly an'i Jeremià ireo hoe:
–Aoka ny TOMPO no ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika! Mianiana izahay fa araka ny teny anirahan'ny TOMPO Andriamanitrao aminay tokoa no hataonay. 6Naniraka anao hanontany ny TOMPO Andriamanitsika izahay. Koa hotanterahinay izay rehetra asainy hataonay, na tianay na tsy tianay; ary handeha tsara ho anay ny zavatra rehetra, satria mankatò ny feon'ny TOMPO Andriamanitsika izahay.

7Nony afaka folo andro, dia tonga tamin'i Jeremià ny valin-tenin'ny TOMPO. 8Koa nampiantso an'i Jôhanàna zanakalahin'i Karea sy ireo olon-kafa mpifehy ny andia-miaramila izay niaraka taminy mbamin'ny vahoaka rehetra na kely na lehibe i Jeremià, 9ary nanao taminy hoe:
–Naniraka ahy hitondra ny fangatahanareo tamin'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely ianareo, ka izao no valin-teniny:

10«Raha hiverina hipetraka
ao amin'ity tany ity ianareo,
dia haoriko indray ny vahoakanareo
fa tsy horavako intsony;
hamboleko indray ianareo
fa tsy hongotako,
ary hanenenako ny loza
izay efa namelezako anareo.
11Koa aza matahotra ny mpanjakan'i Babilôna* intsony.
Eny, Izaho TOMPO no manao teny hentitra hoe:
Aza matahotra azy fa momba anareo Aho
hamonjy sy hanafaka anareo teo am-pelatanany.
12Homeko indrafo ianareo
ka hamindrafo anareo izy
ary hamela anareo hiverina any an-taninareo.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12