samedi 1 décembre 2018

Sabotsy 01 Desambra 2018 - Jer 31 : 7 - 9

7Manaova horakora-pifaliana ho an'i Israely;
mihobia an'Ilay filohan'ireo firenena,
ataovy antso avo ny dera ka lazao hoe:
«Ny TOMPO mamonjy ny vahoakany,
dia ny sisa velona amin'i Israely!»
Satria izao no lazain'ny TOMPO:
8«Haveriko avy any an-tany avaratra izy
ary hangoniko avy any am-bazan-tany.
Ao avokoa mbamin'ny jamba sy ny mandringa,
ary ny bevohòka sy ny tera-bao.
Eny, vahoaka be no hiverina.
9Tonga am-pitomaniana izy
ka narahiko sady nampiononiko.
Any amin'ny lemaka misy rano no hitarihako azy
ary lala-mahitsy no hizorany
ka tsy ho tafintohina izy.
Ho Ray Aho amin'i Israely,
ary ho lahimatoako i Efraîma.»

Na eo aza ny fotoan-tsarotra izay tsy maintsy natrehan'ny vahoakan'Andriamanitra dia tsikaritra amin'ny voasoratra eto fa ny mpino mifaly amin'ny fitiavan'ny Tompo dia:

1- Maiieho hiaka fihobiana

«Mihobia amin'ny fifaliana ...» (And. 7b). Nifanojo tamin'ny vanim-potoana tena nilana azy ny tokim-pitiavana avy amin'nv Tompo teto. Manoloana ny fahakiviana, ny fahaverezan-kevitra noho ny fahababoana dia niditra an-tsehatra ny Tompo nampijoro nampitraka naneho fitiavana, hoy Izy:" Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao". (Jer. 31 : 3b). Raha ao anatin'ny fahakiviana tanteraka ianao no tonga ny vahaolana ara-potoana laroin'ny tokim-pitiavana sy nv teny fanomezan-toky, dia ho hitanao fa tsy ilaina entanina fa tonga ho azy ny hiaka sy ny fihobiana hanehoana ny fifaliana. Niaina izany ny vahoaka sy ny mpianatra rehefa niakatra tao Jerosalema i Jesoa (Jereo Mat. 21 ,9).

2- Mandray amin'ny fanantenana ny teny fikasana

"Ary ho entiko ho eny amoron'ny renirano izy, amin'ny lalana mahitsy izay tsy ahatafintohina azy" (And. 9). Ny finoana dia mitaona antsika hiaina dieny ankehitriny sahady ny teny fikasana. Voasoratra hoe Minoa sahady, fa efa nandray hianareo dia ho azonareo izany (Mar 11, 24). Tsy mahagaga raha toa ka mahita fiadanana ny mpino na dia misedra zava-tsarotra aza noho ny fahatokiany ny tenin'ny Tompo.

Fanontaniana:
Hoy ny I Tes. 5. 16 hoe"Mifalia mandrakariva" : Ahoana no ampiharana izany amin'ny fiainana andavanandro?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12