mercredi 26 juin 2019

Alarobia 26 jona 2019 - Lio 1 : 8 - 17

8Indray andro dia nanao fisoronana teo anatrehan’Andriamanitra tao an-tempoly i Zakarià, satria tonga ny anjaran’ny antokony. 9Naroso ny antsapaka araka ny fanaon’ny mpisorona ka izy no voatendry handoro ny ditin-kazo manitra ao amin’ny Toeramasin’ny Tompo. 10Nivavaka teo ivelany kosa ny vahoaka rehetra nandritra ny fotoana nandoroana ny ditin-kazo manitra. 11Tamin’izay dia nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Zakarià sady nijoro teo ankavanan’ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra. 12Taitra mafy ka raiki-tahotra i Zakarià nony nahita azy.

13Fa hoy ilay anjely taminy:
–Aoka izay ny tahotra, ry Zakarià, fa efa nohenoin’Andriamanitra ny vavakao: Hiteraka zazalahy aminao i Elizabeta vadinao. I Jôhany no hataonao anarany. 14Ho faly sy ravo ianao ary ny besinimaro koa ho faly amin’ny hahaterahany! 15Eny, ho lehibe eo anatrehan’ny Tompo izy, ary hifady divay sy zava-pisotro hafa mahamamo, sady ho feno ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny. 16Maro amin’ny Israelita no hampodîny amin’ny Tompo Andriamanitra. 17Hombàn’ny fanahy aman-kerin’i Elià mpaminany izy ka hialoha ny Tompo, mba hampifandray am-po ny ray aman-dreny sy zanaka sady hamerin-doha ny maditra ho olo-marina feno fahendrena, ary dia hanomana vahoaka vonona handray ny Tompo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12