mardi 18 juin 2019

Talata 18 Jona 2019 - Asa 11 : 4 - 18

4Fa notantarain’i Petera tamin’ny antsipiriany hatrany am-boalohany izay nitranga, ka hoy izy tamin’ireo mpino jiosy:

5–Tao an-tanànan’i Jôpa aho, ary sendra nivavaka indrindra no nisehoam-pahitana mahavariana. Nisy zavatra nidina avy any an-danitra: toa lamba lehibe voatana amin’ny zorony efatra, nalatsaka avy any ary tonga teo akaikiko. 6Nijery tsara sy nandinika ny tao anatiny aho, ka nahita ny biby mandeha tongotra efatra, ny bibidia, ny biby mikisaka amin’ny tany ary ny voro-manidina. 7Dia nisy feo henoko nanao tamiko hoe: «Mitsangàna, ry Petera; mamonoa ka mihinàna!» 8Ary novaliako hoe: «Sanatria, Tompoko! Tsy mbola nisy mihitsy zavatra fady na maloto niditra ny vavako.» 9Dia mbola heno indray ilay feo avy any an-danitra nanao hoe: «Izay efa nambaran’Andriamanitra fa madio, dia aza ataonao ho fady.» 10Intelo niverina izany, dia nakarina manontolo tany an-danitra indray ilay zavatra. 11Tamin’izany fotoana izany indrindra dia indreo nisy olona telo lahy tonga tao amin’ilay trano nitoerako: iraka avy any Kesaria hankatỳ amiko. 12Dia nitenenan’ny Fanahy Masina aho mba tsy hisalasala ny hiaraka aminy. Tafaraka tamiko tany koa ireto havana mpino enina nentiko eto aminareo ireto, ary niditra tao an-tranon’i Kôrnely izahay. 13Dia notantarain’i Kôrnely ny fomba nahitany tao an-trano anjely anankiray izay nanao taminy hoe: «Maniraha lehilahy any Jôpa haka an’i Simôna, izay antsoina koa hoe Petera. 14Hitondra teny hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra izy.» 15Vao nanomboka niteny aho, dia efa nilatsaka tamin’izy rehetra ny Fanahy Masina tahaka ny nilatsahany tamintsika tany am-boalohany koa. 16Tsaroako tamin’izay ilay tenin’ny Tompo hoe: «I Jôhany dia nanao batisa tamin’ny rano; fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ny Fanahy Masina.» 17Notoloran’Andriamanitra ny fanomezany isika rehefa nino an’i Jesoa Kristy Tompo; koa raha notoloran’Andriamanitra fanomezana mitovy amin’ny antsika ireo hafa firenena, dia iza moa aho no ho afa-manohitra an’Andriamanitra?

18Nony nandre izany ireo mpino jiosy, dia nitony ary nanome voninahitra an’Andriamanitra ka nanao hoe:
–Marina fa nomen’Andriamanitra ny hafa firenena ihany koa ny hiala amin’ny toe-dratsy mba hahazoany fiainana.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12