mercredi 20 mai 2020

Alarobia 20 May 2020 - Lio 4 : 1 - 13

1Ary feno ny Fanahy Masina i Jesoa no niverina avy any Jôrdàna. Dia nentin’ny Fanahy Masina Izy honina any an-taniefitra 2efapolo andro sady nalain’ny devoly fanahy, ary tsy nikasika hanina nandritra izany andro izany ka noana tamin’ny farany. 

3Dia hoy ny devoly taminy:
–Raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, teneno io vato io hanjary mofo.

4Fa novalian’i Jesoa hoe:
–Izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Tsy ny mofo ihany no hiveloman’ny olona.»

5Dia nentin’ny devoly tany amin’ny toerana avo i Jesoa ka nasehony Azy indray mipy maso ny fanjakana rehetra eran-tany 6sady nataony hoe:
–Homeko Anao daholo ny hery amam-boninahitr’ireo fanjakana ireo, fa efa natolotra ahy ka omeko an’izay tiako homena azy. 7Koa raha miankohoka eto anoloako Ianao, dia ho Anao avokoa ireo.

8Fa novalian’i Jesoa hoe:
–Izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny Tompo Andriamanitra no hiankohofanao ary Izy irery no hivavahanao.»

9Dia nentin’ny devoly tany Jerosalema i Jesoa ka najorony teo an-tendron’ny zoron’ny tempoly sady nataony hoe:
–Raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, mianjerà avy eto ho any ambany any; 10satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Homen’ny Tompo baiko ireo anjeliny noho ny aminao mba hiaro Anao.» 

11Ary izao koa: «Ny anjely hitondra Anao eny an-tanany mba tsy ho tafintohim-bato ny tongotrao.»

12Fa novalian’i Jesoa hoe:
–Izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Aza maka fanahy ny Tompo Andriamanitrao.»
13Nony avy naka fanahy an’i Jesoa tamin’izao fomba isan-karazany izao ny devoly dia nandao Azy aloha mandra-piavin’ny fotoana hafa indray.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12