lundi 11 mai 2020

Alatsinainy 11 May 2020 - Isa 61 : 1 - 7

1Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko,
satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy
mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo,
hanasitrana ny olona torotoro fo,
hanambara fanafahana ho an’ireo babo
sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,
2hanambara ny taona hanehoan’ny TOMPO fanambinana
sy ny andro hanafaizan’Andriamanitra ny fahavalony
ary hitondra fampaherezana ho an’ny misaona rehetra.
3Manao fisaonana an’i Tsiôna ireo,
kanefa hirahina aho hanome azy ribà fehiloha
ho solon’ny lavenona amin’ny lohany,
hanome diloilo manitra ho solon’ny alahelo
sy fitafiana fitondra amin’ny fety
ho solon’ny toetra manjoretra.
Amin’izay no hiantsoana azy ireo hoe:
«Hazo vokatry ny fitahiana,
saha nambolen’ny TOMPO
mba hanehoany ny famirapiratany.»
4Haorina indray ireo zavatra rava fahiny,
hatsangana indray ny trano nirodana taloha;
hohavaozina ny tanàna rava,
dia ireo efa simba hatry ny ela be.

5Vahiny no hitsangana hiandry ny ondry aman’osinareo,
olona avy any an-kafa no hiasa ny tany
sy hamboly voaloboka ho anareo.
6Ianareo kosa dia hantsoina hoe:
«Mpisorona ho an’ny TOMPO»,
na holazaina koa hoe:
«Mpanao fanompoam-pivavahana
ho an’ny Andriamanitsika.»
Hanasoavana anareo ny fananan’ny firenen-kafa;
ary ianareo no higalabona amin’ny voninahiny.

7Efa nizaka henatra indroa heny ianareo
sady afa-baràka sy nandroran’ny olona.
Ka ho solon’izany, dia hoy Izaho Tompo hoe:
Handova anjara indroa heny eo amin’ny taniny ianareo
ary hanana fifaliana maharitra mandrakizay.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12