mardi 12 mai 2020

Talata 12 May 2020 - Rom 8 : 9 - 17

9Ianareo kosa, tsy anjakan’ny maha olona mpanota ianareo fa anjakan’ny Fanahy Masina, satria efa monina ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy an’i Kristy. 10Fa raha ao anatinareo kosa i Kristy, na dia ho faty aza ny vatanareo noho ny fahotana, ny Fanahy Masina no fiainanareo satria efa neken’Andriamanitra ho marina ianareo. 11Ary raha monina ao anatinareo ny Fanahin’ilay Andriamanitra nanangana an’i Jesoa ho velona avy tany amin’ny maty, dia Izy nanangana an’i Jesoa ho velona avy tany amin’ny maty no hamelona koa ny vatanareo mety maty, amin’ny alalan’ilay Fanahiny monina ao anatinareo.

12Koa amin’izany, ry havana, misy adidy ananantsika, nefa tsy adidy amin’ny maha olona mpanota ka hivelomantsika araka ny maha olona mpanota. 13Satria raha velona araka ny maha olona mpanota ianareo, dia ho faty; fa raha ny Fanahy Masina no amonoanareo ny asan’ny maha olona mpanota, dia ho velona ianareo. 14Eny, izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra. 15Satria tsy fanahy maha mpanompo no voarainareo ka hahatonga anareo hatahotra indray; fa ny Fanahy Masina maha zanak’Andriamanitra no voarainareo, ka ahafahantsika miantso an’Andriamanitra hoe: «Raiko ô!» 16Ny Fanahy Masina mihitsy no manambara amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. 17Ary raha zanaka, dia mpandova koa; ka sady mpandova ny soa nampanantenain’Andriamanitra no mpiara-mandova izany amin’i Kristy: satria raha miara-mijaly amin’i Kristy isika, dia hiara-komem-boninahitra aminy koa.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12