mercredi 11 novembre 2020

Alarobia 11 Novambra 2020 - I Kor 12 : 9 - 21

 9Ny anankiray omen’izany Fanahy izany finoana; ary ny anankiray omen’izany Fanahy izany fanomezam-pahasoavana hanasitrana marary. 10Ny anankiray, hanao asa mahagaga; ny anankiray, hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra; ny anankiray, hahay manavaka ny Fanahy Masina sy ny fanahy manodoka; ny anankiray, hiteny amin’ny fiteny samy hafa tsy fantatra; ary ny anankiray, hanazava ny fiteny tsy fantatra. 11Izany Fanahy iray izany ihany no loharano ipoiran’ireo fanomezana rehetra ireo, ka mizarazara azy, araka izay sitrapony, amin’ny olona tsirairay.

12Eny, iray ny tena kanefa misy zavatra maro ao aminy: dia toy izany koa i Kristy. Fa ireo zavatra rehetra anisan’ny tena ireo, na maro aza, dia tena iray ihany. 13Isika rehetra manko, na Jiosy na hafa firenena, na mpanompo na tsy mpanompo, dia iray ny Fanahy Masina nanaovana batisa antsika mba ho tena iray ihany isika; ary iray ny Fanahy Masina nampisotroana antsika rehetra.

14Eny, ny tena dia tsy zavatra karazana iray monja no mamorona azy fa maro. 15Raha ny tongotra hanao hoe: «Tsy tanana aho ka tsy mba isan’ny tena», dia tsy izay akory no tsy haha isan’ny tena azy. 16Raha ny sofina hanao hoe: «Tsy maso aho, ka tsy mba isan’ny tena», dia tsy izay akory no tsy haha isan’ny tena azy. 17Raha maso ny tena manontolo, ahoana no handrenesany? Ary raha sofina ny tena manontolo, ahoana no hanamboloany? 18Eny, efa voalahatr’Andriamanitra araka izay nitiavany azy avy eo amin’ny tena ireo zavatra anisan’ny tena ireo. 19Tsy ho nisy ny tena, raha karazana iray monja ny zavatra rehetra anisan’ny tena. 20Eny, maro ny zavatra anisan’ny tena, kanefa ny tena dia iray ihany.

21Ny maso tsy afaka hilaza amin’ny tanana ila hoe: «Tsy ilaiko ianao!» Ary ny loha tsy afaka hilaza amin’ny tongotra roa hoe: «Tsy ilaiko ianareo!» 

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12