dimanche 1 novembre 2020

Alahady 01 Novambra 2020 - Gen 32 : 4 - 13

 4Ary i Jakôba nandefa iraka hialoha azy ho any amin’i Hesao rahalahiny, any ambanivohitr’i Edôma, any amin’ny tany Sehira. 5Nanafatra an’ireo iraka izy hoe:

–Izao no holazainareo amin’i Hesao: «I Jakôba mpanomponao, tompokolahy, dia nanafatra anay hilaza hoe: Nivahiny tany amin’i Labàna aho ary nijanona tany hatramin’izao. 6Manana omby sy boriky sy ondry aman’osy aho ary koa mpanompo lahy sy vavy maro. Nandefa ireto irako ireto aho hampilaza aminao tompokolahy mba handraisanao ahy tsara.»

7Niverina tany amin’i Jakôba ireo iraka ka nilaza hoe:

–Tonga tany amin’i Hesao rahalahinao izahay; ary ny tenany mihitsy no tamy hitsena anao miaraka amin’ny olona efajato lahy.

8Dia raiki-tahotra mafy i Jakôba ka nangitakitaka; ary nozarainy ho antoko roa ny olona niaraka taminy sy ireo ondry aman’osy ary omby sy rameva, 9fa hoy izy anakampony: «Raha tonga hamely ny antoko iray i Hesao, dia afa-mandositra kosa ny antoko hafa.» 10Ary nivavaka i Jakôba nanao hoe:

–Ry Andriamanitr’i Abrahama raibeko sy Andriamanitr’i Itsehàka raiko ô, Ianao Ilay TOMPO efa nilaza tamiko hoe: «Miverena any amin’ny taninao sy ny fianakavianao, dia hanisy soa anao Aho.» 11Tsy mendrika an’ireo mari-pitiavana sy zavatra azo antoka rehetra izay nataonao tamiko mpanomponao akory aho, satria tsy nanana afa-tsy tehina ny tenako raha niampita an’ity Jôrdàna ity, ary ankehitriny kosa efa tonga antokony roa. 12Mba afaho amin’ny tanan’i Hesao rahalahiko aho, satria matahotra azy, fandrao tonga izy ka hamono ahy sy ny zaza amam-behivavy ho faty. 13Ianao manko efa nampanantena ahy hoe: «Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hahatonga ny taranakao ho marobe tsy hita isa tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12