dimanche 1 novembre 2020

Talata 01 Desambra 2020 - Jao 1 : 35 - 51

  35Ny ampitson’iny indray, dia mbola teo ihany i Jôhany sy ny mpianany roa lahy; 36ary nahatazana an’i Jesoa nandalo i Jôhany ka hoy izy hoe:

–Indro ny Zanakondrin’Andriamanitra!

37Nandre an’i Jôhany niteny izany ireto mpianany roa lahy ka lasa nanaraka an’i Jesoa. 38Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy roa lahy nanaraka, dia nanao taminy hoe:

–Inona no tadiavinareo izay?

Ka novalian’izy roa lahy hoe:

–Rabỳ ô, (izany hoe Mpampianatra ô, raha adika), aiza ianao no mitoetra?

39Dia hoy i Jesoa taminy:

–Avia, fa ho hitanareo!

Koa dia nandeha izy roa lahy ka nahita izay nitoeran’i Jesoa ary nitoetra teo aminy tamin’io andro io. (Tokony ho tamin’ny efatra tolakandro tamin’izay).

40I Andrea, rahalahin’i Simôna Petera, no anankiray tamin’izy roa lahy nandre ny tenin’i Jôhany, ka nanaraka an’i Jesoa. 41Ny nihaonan’i Andrea voalohany dia i Simôna rahalahiny ka nilazany hoe:

–Efa hitanay ny Mesia (izany hoe i Kristy na hoe Voahosotra, raha adika)!

42Dia nentin’i Andrea nankany amin’i Jesoa i Simôna; ary nony nijery azy i Jesoa, dia nanao hoe:

–Ianao no Simôna, zanakalahin’i Jônà! Hantsoina hoe Kefasy ianao (izany hoe Petera na hoe Vato, raha adika)!

43Ny ampitson’iny, dia niroso nankany amin’ny faritany Galilea i Jesoa; tafahaona tamin’i Filipo Izy ary nanao taminy hoe:

–Avia hiaraka amiko!

44I Filipo dia avy any Betsaidà, tanàna fiavian-dry i Andrea sy i Petera. 45Tafahaona tamin’i Natanaela kosa i Filipo ka niteny taminy hoe: «Efa hitanay Ilay voalazan’i Mosesy tao amin’ny bokin’ny Lalàna sy voalazan’ireo mpaminany, dia i Jesoa zanak’i Jôsefa, Ilay avy any Nazareta.»

46Ary hoy i Natanaela taminy:

–Moa mba mety hisy zava-tsoa ve avy any Nazareta?

Dia novalian’i Filipo hoe:

–Ndao ianao hizaha!

47Nahita an’i Natanaela tamy nanatona Azy i Jesoa ka izao no teniny momba an’i Natanaela:

–Izany ka tena Israelita tsy misy fitaka!

48Dia hoy i Natanaela taminy:

–Ahoana no ahafantaranao ahy?

Ka novalian’i Jesoa hoe:

–Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, dia hitako teo ambany aviavy ianao!

49Fa i Natanaela kosa nilaza taminy hoe:

–Mpampianatra ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely!

50Ary novalian’i Jesoa hoe:

–Mino ve ianao satria nilazako fa hitako teo ambany aviavy? Zavatra lehibe noho izany no mbola ho hitanao!

51Dia hoy koa i Jesoa tamin-dry i Natanaela:

–Lazaiko marina dia marina aminareo fa ho hitanareo ny lanitra misokatra mbamin’ny anjelin’Andriamanitra miaka-midina eo ambonin’ny Zanak’olona!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12