mercredi 12 octobre 2022

Alarobia 12 Oktobra 2022 - Lio 14 : 25 - 35

 25Nisy vahoaka marobe niara-dia tamin’i Jesoa. Dia nitodika niatrika azy ireo i Jesoa ka nanao hoe:

26–Raha misy manatona Ahy, aoka ho tia Ahy mihoatra noho ny ray aman-dreniny sy ny vady aman-janany mbamin’ny mpiray tampo aminy, ary mihoatra noho ny tenany aza; fa raha tsy izany, tsy afaka ho mpianatro. 27Izay tsy mizaka ny hazofijaliany ary tsy miaraka amiko, dia tsy afaka ho mpianatro.

28Raha misy aminareo te hanorina tilikambo, dia hipetraka izy aloha hitetika tsara izay ho lany, hahitany raha misy vola hanefana izany. 29Sao vita manko ny fototra vao tsy afa-manohy, ka holatsain’ny mpitazana rehetra 30hoe: «Mba nanomboka nanorina rangahy io, nefa tsy nahatody!»

31Ary raha misy mpanjaka handeha hanafika mpanjaka hafa, dia hipetraka izy aloha handinika tsara, hahitany raha azony atao amin’ny miaramila iray alina ny hifanandrina amin’ny fahavalony manana miaramila roa alina. 32Raha tsy azony atao manko, dieny mbola lavitra ilay fahavalo, dia handefasany iraka hanao raharaham-pihavanana.

33Ary nofaranan’i Jesoa hoe:

–Dia toy izany koa àry, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany, dia tsy afaka ho mpianatro!

Ny sira tonga matsatso

(Jereo Mt 5.13; Mk 9.50)

34–Zavatra tsara ny sira; kanefa raha ny sira no tonga matsatso, hatao ahoana indray no hanome hasina azy? 35Fa sady tsy mahasoa tany no tsy mahasoa zezika intsony ka dia ariam-potsiny. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12