samedi 22 octobre 2022

Sabotsy 22 Oktobra 2022 - Jos 22 : 21 - 29

 21Dia namaly ny taranak’i Reobena sy taranak’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase ka nanambara tamin’iretsy iraka israelita mpifehy arivo hoe:

22–Ny TOMPO no Andriamanitry ny andriamanitra, eny, ny TOMPO no Andriamanitry ny andriamanitra! Izy dia mahalala ary ny Israelita rehetra koa hahalala ny anton’ny nanorenanay io alitara io. Raha ho fikomiana na ho fivadihana amin’ny TOMPO izany, dia aoka tsy hovonjeny izahay anio! 23Raha tàhiny hanolorana sorona dorana manontolo na fanatitra hohanina na sorom-pihavanana izany, dia aoka ny TOMPO mihitsy no hanafay anay. 24Tsia, fa raha nanao izao zavatra izao izahay, dia natahotra fandao any aoriana any ny taranakareo hiteny amin’ny taranakay hoe: «Inona moa no ifandraisanareo sy ny TOMPO Andriamanitr’i Israely? 25Ny TOMPO mihitsy manko no nametraka an’i Jôrdàna ho faritra mampisaraka anay aminareo taranak’i Reobena sy taranak’i Gada, ka tsy misy anjaranareo amin’ny TOMPO!» Dia mety hampitsahatra ny taranakay tsy hanaja ny TOMPO intsony ny taranakareo. 26Izany no nahatonga anay hanapa-kevitra hanao io alitara io, saingy tsy hanaterana sorona dorana manontolo na sorona hafa; 27ho vavolombelona aminay sy aminareo ary amin’ny taranatsika mifandimby kosa io alitara io fa zonay ny hanao fanompoana eo anatrehan’ny TOMPO amin’ny fanolorana sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina ary sorom-pihavanana. Amin’izay ny taranakareo, any aoriana any, dia tsy ho afa-milaza amin’ny taranakay hoe: «Tsy misy anjaranareo amin’ny TOMPO». 28Raha sendra ka hambarany aminay na amin’ny taranakay izany rahatrizay, dia hovaliana hoe: «Jereo io alitara nataon’ny razanay io fa mitovy amin’ny alitaran’ny TOMPO; saingy tsy natao hanolorana sorona dorana manontolo na fanatitra hohanina izany, fa ho vavolombelona aminay sy aminareo». 29Sanatria aminay mihitsy ny hikomy amin’ny TOMPO na hiala amin’ny fanarahana AZY ankehitriny, ka hanorina alitara mba hanolorana sorona dorana manontolo na fanatitra hohanina na sorona hafa. Eo amin’ny alitaran’ny TOMPO Andriamanitray, dia ilay alitara manoloana ny fonena-masiny ihany, no hanoloranay ireny.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12