mardi 18 octobre 2022

Talata 18 Oktobra 2022 - Asa 17 : 16 - 31

 16Raha mbola niandry an’i Silasy sy i Timôty tao Atena i Paoly, dia niontana ny fony tamin’izy nahita ity tanàna feno sampy. 17Koa tao amin’ny sinagôga i Paoly no nifanakalo hevitra tamin’ny Jiosy sy ny mpanaja an’Andriamanitra, ary teny an-kianja isan’andro tamin’ny olona sendra teo. 18Nisy koa filôzôfy epikorianina sy stôisianina nifanakalo hevitra taminy, ka hoy ny sasany hoe:

–Inona no tian’ity mpirediredy holazaina?

Ny sasany kosa, nony nandre an’i Paoly nanambara ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesoa sy ny fitsanganan’ny maty, dia niteny hoe:

–Toa andriamanitra vahiny no torîny!

19Dia nentin’izy rehetra i Paoly ka notarihiny hankeo amin’ny antenimiera Areôpazy sady nilazany hoe:

–Moa azonay fantarina ve izao fampianarana vaovao resahinao izao? 20Zavatra hafahafa manko izao renay aminao izao, ka tianay ho fantatra izay mety ho hevitr’izany. ( 21Fa ny Atenianina rehetra mbamin’ny vahiny niara-nonina taminy moa dia nandany andro fotsiny hilaza na hihaino izay zava-baovao farany).

22Dia nijoro teo afovoan’ny Areôpazy i Paoly ka nanao hoe:

–Ry Atenianina, hitako fa amin’ny lafin-javatra rehetra dia olona fatra-pivavaka ianareo. 23Raha nitsangantsangana eran’ny tanàna aho, ka nijerijery ireo toeram-pivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy soratra hoe: «Ho an’ilay Andriamanitra tsy fantatra.» Ka izany tsy fantatrareo izany, kanefa ivavahanareo, no ambarako aminareo. 24Ilay Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra eo aminy no Tompon’ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanan’olombelona. 25Tsy hoe orin-javatra Andriamanitra ka tompoin’olombelona, satria Izy ihany no manome ny aina sy ny fofon’aina mbamin’ny zavatra rehetra ho an’ny olombelona tsy an-kanavaka. 26Noarîny avy amin’olona anankiray ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany tontolo; ary nofariparitany koa ny vanim-potoana hiainany sy ny zaratany honenany. 27Nataon’Andriamanitra izany mba hahazoan’ny olombelona mitady Azy, sao izy ireo mba mety maminavina Azy sy mifandray aminy; fa Andriamanitra dia tsy lavitra antsika tsirairay avy, 28satria

«Ao aminy no ivelomantsika sy ihetsiketsehantsika

ary isiantsika.»

Izany indrindra koa no nilazan’ny mpanao tononkira sasany teo aminareo hoe:

«Avy amin’Andriamanitra no ipoirantsika.»

29Koa satria avy amin’Andriamanitra no ipoirantsika, dia tsy tokony hoheverintsika fa Andriamanitra dia mitovy endrika amin’ny sampy volamena na volafotsy na vato, sary sokitra vokatry ny fahaizana amam-pisaintsainan’olombelona. 30Kanefa ninian’Andriamanitra tsy jerena intsony ireo andro tsy nahalalana Azy, fa antsoiny hiala amin’ny toe-dratsy avokoa ny olona rehetra, na aiza na aiza. 31Nisy manko andro anankiray natao hitsaran’Andriamanitra izao tontolo izao araka ny rariny, amin’ny alalan’ny lehilahy anankiray efa voatendriny; ary ny nananganany Azy ho velona avy any amin’ny maty no nataony porofon’izany ho an’ny olona rehetra!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12