vendredi 11 novembre 2022

Zoma 11 Novambra 2022 - Asa 13 : 16 - 25

 16Dia nitsangana i Paoly ka nanofahofa tanana hampangina ny mpiangona ary nanao hoe:

–Ry Israelita sy ry hafa firenena mpanaja an’Andriamanitra, henoy aho! 17Ny Andriamanitr’ilay vahoaka Israely dia nifidy ny razantsika. Nataony tonga firenen-dehibe io vahoaka io fony izy nivahiny tany amin’ny tany Ejipta, ary tamin-kery lehibe no nitondrany azy hiala avy any Ejipta. 18Tany an-taniefitra dia nahari-po taminy nandritra ny 40 taona eo ho eo Andriamanitra, 19ary nandrava firenena fito tany Kanahàna ka nanolotra ny tanin’ireo ho fananan’i Israely vahoakany. 20Nandritra ny 450 taona eo ho eo izany.

Taorian’izany, dia nomen’Andriamanitra mpitsara ny razantsika, mandra-pahatongan’ny andron’i Samoela mpaminany. 21Avy eo nangataka mpanjaka izy ireo ka dia nomeny azy nandritra ny efapolo taona i Saoly, zanakalahin’i Kisy sady avy tamin’ny fokon’i Benjamîna. 22Nesorin’Andriamanitra i Saoly, fa notendreny ho mpanjakan’izy ireo kosa i Davida, ilay nijoroany ho vavolombelona ka nilazany hoe: «Efa hitako i Davida, zanak’i Jisay; lehilahy araka izay niriko i Davida ka hanatontosa ny sitrapoko rehetra.» 23I Jesoa dia napoitran’Andriamanitra avy amin’ny taranak’i Davida mba ho Mpamonjy ny vahoaka Israely, araka izay efa nampanantenainy rahateo. 24Talohan’ny nahatongavan’i Jesoa anefa, dia nanao antso avo i Jôhany hanainga ny vahoaka Israely rehetra hiala amin’ny toe-dratsy ka hatao batisa. 25Ary tamin’ny faramparan’ny andro niainan’i Jôhany, dia hoy izy hoe: «Ataonareo ho iza moa aho? Tsy izaho no Ilay andrasanareo. Fa indro Izy tamy aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny kapa eo amin’ny tongony akory aho.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12