vendredi 4 novembre 2022

Zoma 04 Novambra 2022 - I Pet 1 : 1 - 9

 1Avy amiko Petera ity taratasy ity, dia izaho apôstôlin’i Jesoa Kristy.

Mamangy anareo olom-boafidin’Andriamanitra aho, dia ianareo mpivahiny miely patrana any amin’ny faritany Pônto, Galatia, Kapadôsia, Azia sy Bitinia. 2Voafidy araka ny efa voatendrin’Andriamanitra Ray ianareo ary voatokana ho Azy noho ny asan’ny Fanahy Masina, mba hanaiky an’i Jesoa Kristy sy hanana anjara amin’ny famafazana ny rany.

Hampitomboina ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!

3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika! Be famindrampo tokoa Andriamanitra, ka niteraka antsika indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Izay natsangany ho velona avy any amin’ny maty. Izany no ananantsika fanantenana mivaivay 4fa hahazo ny lova tsy mety simba sady tsy azon-doto no tsy mety levona. Voatahiry any an-danitra io lova io mba ho anareo, 5dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana mba handray ny famonjena efa vonona haseho amin’ny andro farany.

6Izany koa no iravoravoanareo na dia mbola tsy maintsy hampahorîna vetivety amin’ny fitsapana samy hafa aza ianareo. 7Ny volamena dia sedraina amin’ny alalan’ny afo na dia zavatra mety simba aza; ary ny finoanareo, izay sarobidy lavitra noho ny volamena, dia sedraina amin’ny alalan’ireny fitsapana ireny ka ho hita fa hahazoan’Andriamanitra dera sy voninahitra ary haja izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy. 8Manam-pitiavana an’i Jesoa Kristy ianareo, na dia tsy nahita Azy aza; mino Azy ianareo, na dia tsy mahita Azy aza ankehitriny: izany no iravoravoanareo amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sady be voninahitra, 9satria azonareo ilay zava-kendren’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12