dimanche 2 juin 2013

Alahady 02 Jona 2013 - Eks 14 : 15 - 31

15Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:

–Nahoana no miantso vonjy amiko ianao? Ilazao ny Israelita mba handroso. 16Ingao ny tehinao, ka ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao. Ary saraho ny rano, dia hamaky eo afovoan'ny rano eo amin'ny tany maina ny Israelita. 17Fa Izaho hanamafy fo ny Ejiptianina ka hitsofoka hanenjika anareo izy. Dia hasehoko ny voninahitro* amin'ny hanapotehako ny Farao* sy ny andian-tafiny rehetra, ny kalesiny sy ny mpitaingina azy. 18Ho fantatry ny Ejiptianina amin'izay fa Izaho no TOMPO rehefa asehoko azy araka izany ny voninahitro.

19Ny anjeli*n'Andriamanitra izay nialoha ny Israelita hatrizay dia nandeha nifindra teo aorian'ny toby. Toy izany koa, ny andry rahona izay teo alohan'izy ireo dia lasa any aoriany. 20Nifindra teo anelanelan'ny tobin'ny Ejiptianina sy ny tobin'ny Israelita teo anelanelan'ny tobin'ny Ejiptianina sy ny tobin'ny Israelita ny andry rahona. Io andry rahona io dia maizina tany andaniny fa nanazava ny alina kosa taty ankilany. Koa tsy afaka nifanatona izy roa tonta nandritra ny alina. 21Nahinjitr'i Mosesy teo ambony ranomasina ny tanany. Ary ny TOMPO nampitsoka rivo-mahery avy any atsinanana nandritra ny alina manontolo ka nanosika ny ranomasina hanamaina azy. Nisaraka ny ranomasina, 22ary nita teo am-povoany nandia tany maina ny Israelita, fa nisavovona toa tamboho teo ankavanany sy ankaviany ny rano. 23Nanenjika azy ny Ejiptianina; ny soavalin'ny farao rehetra mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingina azy dia samy nitsofoka nanaraka azy ireo tao afovoan'ny ranomasina avokoa. 24Ary nony efa nadiva haraina dia nijery ny tobin'ny Ejiptianina avy teo amin'ny andry afo sy rahona ny TOMPO, ka nanakorontana azy. 25Nohidiany ny kodiaran'ny kalesy ka nihisatra ny fitarihana azy. Dia hoy ny Ejiptianina hoe:

–Andao handositra ny Israelita isika, fa ny TOMPO no miady ho azy ireo amintsika!

26Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:

–Ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao mba hiverenan'ny rano eo amin'ny Ejiptianina sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.

27Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambony ranomasina ny tanany. Niverina ho amin'ny toerany ny ranomasina rehefa ho maraina ny andro ka nifanehatra taminy ireo Ejiptianina nandositra, dia narian'ny TOMPO tao afovoan'ny ranomasina ny Ejiptianina. 28Nikatona ny ranomasina ka nandrakotra ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly; izay tafiky ny Farao manontolo nanenjika ny Israelita tao an-dranomasina dia tsy nisy afa-nitsoaka na iray aza. 29Fa ny Israelita kosa dia niampita ny ranomasina nandia tany maina, fa ny rano dia nisavovona toa tamboho teo ankavanany sy ankaviany. 30Namonjy ny Israelita teo an-tanan'ny Ejiptianina ny TOMPO tamin'izany andro izany, ka ny Israelita dia nahita ny fatin'ny Ejiptianina teny amoron-dranomasina. 31Hitan'ny Israelita ny hery lehibe izay nampiasain'ny TOMPO hamelezana ny Ejiptianina. Izany no nanajan'ny Israelita ny TOMPO, ka nitokiany AZY sy nitokiany an'i Mosesy mpanompony.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12