dimanche 16 juin 2013

Alahady 16 Jona 2013 - II Kor 1 - 10

1Izaho Paoly mihitsy no manainga anareo, dia izaho izay lazaina fa manetry tena rehefa manoloana anareo, nefa henjana aminareo rehefa lavitra anareo. Miangavy anareo amin'ny fahalemem-panahy sy hamoram-pon'i Kristy* aho: 2aoka re aho mba tsy ho voatery hanao teny henjana amin'ny hahatongavako atỳ aminareo; fa mikasa hihenjana amim-pahasahiana tokoa aho amin'ny olona sasany, izay mihevitra fa manao fitondrantena araka ny fisainan'olombelona izahay. 3Na dia ao anatin'ny fiainana maha olombelona aza izahay, dia tsy araka ny fisainan'olombelona no iadianay; 4satria tsy fitaovam-piadiana malemy, araka ny an'ny olombelona, no entinay miady; fa fitaovam-piadiana mahery, araka an'Andriamanitra, mba hoenti-mandrava mànda. Ravànay ny hevitra diso 5sy feno avonavona rehetra, izay atsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra; ary babonay hanaiky an'i Kristy ny olona rehetra mahitsy fieritreretana. 6Vonona hanafay ny tsy mpanota rehetra izahay, rehefa mampiseho fanoavana tanteraka ianareo. 7Mijery zavatra araka ny fisehony ivelany ihany ianareo! Raha misy olona matoky tena fa an'i Kristy, dia izao indray no aoka hosaintsaininy: tahaka ny maha an'i Kristy azy no maha an'i Kristy anay koa. 8Ary tsy hahazo henatra aho na dia ireharehako somary tafahoatra aza ny fahefana nomen'ny Tompo anay, dia fahefana hampandrosoana ny Fiangonanareo fa tsy handravana azy. 9Tsy te hiseho ho toy ny hoe mampitahotra anareo aho amin'ireto taratasy soratako; fa misy manao hoe: 10«Mafonja sy mahery vaika ireo taratasin'i Paoly; nefa rehefa mby eto aminay izy tenany, dia olona osa ary ny teniny dia tsinontsinona.» 11Izao no aoka hosaintsainin'ilay miteny toy izany: sahala amin'izay soratanay an-taratasy raha lavitra izahay, no hataonay rehefa tonga izahay.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12